Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Poetawebs

Mitady remizy
Heriarilala Andriamamonjy — 01/10/2026
Anisan'ny mamaritra ny maha olombelona ny faniriana sy ny fanantenana. Te hanana ny tsara kokoa hatrany ary te hiala ao anaty toe-javatra tsy ahitam-piadanana. Mba efa nisy naka sary an-tsaina ny hetahetampon'ireo olona any an-tranomaizina ve? Firifiry amin'izy ireny no mbola miandrandra hazavana? Misy ve ny mbola manantena fahafahana sa efa mionona sy mamoy fo avokoa? Etsy ange hojerena ny vetsovetsom-pon'ny zokiolona iray voafonja ao Moramanga. Ity tononkalo narantin'ny mpanao gazety Mino Haritsimba Rakotonindriana tao amin'ny Facebook ity no hohadihadina izay tsy nahitana lohateny fa nosalorana ny "Mitady remizy" eto amin'ity takelaka ity. Tononkalo nantsain'ny zokiolona iray teo an-tokotanin'ny fonjan'i Moramanga tamin'ny hetsika fampisehoana TRANDRAKA TALENTA ho fanamarihana ny Alatsinainin'ny Pentekosta 25 mey 2026 teo izany.

***

Voalohany, nataon'ny poeta ho zava-dehibe ny fitantarany ny toe-javatra iainany. Hoy izy eo amin'ny andalana voalohany sy faharoa:

"Roapolo taona ny sazy efàko,
 fito ambin'ny folo no vitako tato".


 Izany hoe olona efa saraka aman-kavana an-taonany maro no miteny. Fantatra fa tsy ny olona akaiky rehetra no mamangy ny havana migadra ary izay hany mamangy koa tsy ho afaka mitoetra ela fa minitra voafetra ihany. Tao anatin'izay fiainana saraka aman-tiana izay dia hita fa efa nanam-piovana ny lehilahy raha oharina amin'izay fitondran-tena tsy nety nataony teo aloha ka nahatonga azy hiditra am-ponja. Hoy izy eo amin'ny andalana faha-15 hoe: "mba hendry ihany aho raha mihoatra ny ankizy." Azo heverina fa mbola miaina anaty fiarahamonina feno ditra sy fomba fiaina tsy mendrika izy ka izay no anaovany fampitahana ny tenany amin'ny hafa.

Izay taona maro niainany lavitry ny fahafahana izay dia niantraika tamin'ny vatany koa ka mahatonga azy niteny eo amin'ny andalana faha-10 hoe: "Mba iantrao e, ity Dada mitsitaozantaozana". Raha hazavaina tsotsotra ny hevitra tiany hambara dia efa tsy ao aminy intsony ny hery sy tanjaka ary tsy mirijarija toy ny tamin'ny tanora intsony izy ka mila famindram-po avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.

Niova toetra izy rehefa voatery nandao ny fiarahamonina nisy azy. Manana fihetseham-po miiba àry ve izy manoloana ny ankehitriny sy ny hoavy mbola tsy fantatra?

Hita taratra ny tebitebin-tsaina sy ahiahim-pon'ny poeta ao amin'ny tononkalo nantsainy. Tsy mandry ny sainy mieritreritra izay toerana sy olona hivantanana. Hoy izy eo amin'ny andalana faha-5 sy faha-6:

"Lasa ny saiko, tonga hatraiza,
 raha mivoaka ato moa izany dia mba ho aiza?"


Mitombina tokoa ny fanontaniany. Efa fahita mantsy fa izay olona miditra am-ponja dia matetika ailiky ny fiarahamonina rehefa mivoaka avy any ary misy havana tsy menatra ny manositosika mihitsy. Na ny vady aman-janany izay olona tokony ho akaiky azy indrindra aza toa tsy ho sahiny ny hanatona azy raha tohizana eo amin'ny andalana faha-7 sy faha-8:

"Ny vadiko izay any efa manan-tsakaiza,
 ary ny zanako... Izaho angaha nitaiza?"


Raha dinihina io, tsy mba anisan'ny olona nitsidika azy izany ny vadiny na hoe nitsidika ihany tany am-piandohana fa efa tsy nandalo intsony nandritra ny taona maromaro. Mazava ho azy koa, fa tsy nanana fahafahana nitaiza an-janany izy nandritra izay fito ambin'ny folo taona nandaozany ny tokantranony izay.

Na eo aza anefa izany ahotra miteraka fisalasalana izany dia toa manana herintsaina miabo ihany ny lehilahy.

Tsikaritra avy tamin'izay voambara an-tononkalo fa mbola ao aminy ny fanantenana hahazo fahafahana ary mino izy matoa sahy milaza ny tsy fahandrasany eo amin'ny andalana faha-13 sy faha-14 hoe:

"Dodona loatra aho maika aok'izany
 Mba te hiaina eny ambonin'ny tany".


Efa mihevi-tena ho any amin'ny fiainan-tsy hita izy matoa "eny ambonin'ny tany" no ilazany ny fiainana ivelan'ny fonja. Fantany fa misy ny tsaratsara kokoa izay mampangetaheta azy ety amin'ny fahafahana. Ao anatin'izay fiovana rehetra niainany sy ny fiaretany no ahasahiany manontany eo amin'ny andalana farany hoe: "nahoana moa aho no tsy mba mahazo remizy?" Azo heverina fa fanontaniana miandry valiny "eny" izany fanontaniana izany. Maniry ny tsy hanapitra ny telo taona ambiny any am-ponja intsony izy fa te hahazo fampihenan-tsazy.

***

Raha fehezina, ny olombelona tsy ilaozan'ny tahotra sy ny tebiteby. Mbola mariky ny fahavelomana anefa ny fananana fanantenana sy faniriana na inona na inona mafy mianjady. Mahay maka lesona amin'ny lasany ny olona vonona ho avotra ka manapa-kevitra hiova. Matahotra ny tosi-bohon-tanana avy amin'ny fianakaviana kosa ny olona efa nanao hadisoana. Ilaina anefa ny manana toe-tsaina miabo, tsy mamoy fo ary tsy manary toky na tsy hita intsony aza ny namana sy ny havan-tiana. Tsiahivina fa tsy nitonona anarana ity raiamandreny voafonja ity nandritra ny antsan-tononkalo nataony ary naka sy nampita ny horonantsary ihany no nataon'ny mpanao gazety Mino Haritsimba Rakotonindriana.
_____________
Mitady remizy

Roapolo taona ny sazy efàko
Fito ambin'ny folo no vitako tato
Kanefa tsy foana ny fanantenako,
Fa ho avy ny ora sy ny daty hialako.

Lasa ny saiko, tonga hatraiza,
raha mivoaka ato moa izany dia mba ho aiza?
Ny vadiko izay any efa manan-tsakaiza,
ary ny zanako... Izaho angaha nitaiza?

Miangavy ny filohan'ny Fanavaozana
Mba iantrao e, ity Dada mitsitaozantaozana.
Tena mivavaka mafy tsy miato,
 Mba tsy ho vatam-paty no haka ahy ato.

Dodona loatra aho maika aoka izany
Mba te hiaina eny ambonin'ny tany,
mba hendry ihany aho raha mihoatra ny ankizy,
Nahoana aho no tsy mba mahazo remizy?

Nalaina tao amin'ny takelaka Facebook
___________________
poetawebs@gmail.com