Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana
| Sehatra | Lahatsoratra
Ontam-pitiavan'ny
Teto
Toetra
Ràja —
11/07/2026
Mampiavaka
ny tononkalo ny fahafahany mampita hevitra ombam-pihetseham-po
faratampony eo am-pamakiana azy sy amin'ny fotoana isaintsainana azy eo
imolotra. Ahitana izany koa anefa ny sokajy literatiora hafa toy ity
tononkiram-pitiavan'ny TETO ity, izay noforonin'Andrianarisoa Jean
Maurice (tarika Rambao) tamin'ny 1978, ary niarahany nihira tamin-dry
Eliane sy Emma. Tsikaritra koa ireo singa poetika raketiny ka tsara
homarihina ao anatin'ny fanadihadiana. Entina handalinana izany dia
hozohina aloha ny hasambarana ateraky ny fitiavana. Ao aorian'izay ny
fandinihana ireo ontana asetrany.
***
Ny hasambarana ateraky ny fitiavana
Nampiasaina
tamin'ny endrika samihafa araka ny sahan-keviny ny tamberin-teny "teto"
sy "eto" toy ny "teto izahay", "teto ihany koa", "teto daholo", "fa
teto koa", "mbola eto anefa", "mbola eto koa".
Manambara toerana amin'ny filazam-potoana
lasa ny "teto izahay" izay averimberina eny am-piandohan'ny tononkira
ary itantarana ny fiandohan'ny fitiavana: "Teto izahay no nanao fanekena".
Azo heverina ho ilay voalohany teo amin'izy roroa irery izany fa tsy
mbola ilay naseho am-pahibemaso. Azo lazaina ho nanjakan'ny
fahatokisana izany fotoana fanekena izany satria natao tamin'ny fo
madio sy malalaka ary tsy nisy mpanelingelina.
Nohamafisina tao amin'ny andininy faharoa
izany tamin'ny alalan'ny voady, "Teto
ihany koa no nanaovanay ny voady",
izay nampiharihary teo anivon'ny fiarahamonina ny firaisam-po. Fanao
amin'ny vodiondry, manoloana ny alitara sy ny ben'ny tanàna ny voady
ary atrehin'ny fianakaviana, namana, olom-pantatra. Dingana matotra no
irosoana satria ombam-belirano sy fepetra ahafahana miara-mandroso sy
miaina. Anisany ny fiarahana mitady amin'ny asa fivelomana miandahy sy
miambavy:
"Velirano,
visavisan'ny hoavy fa hiaraka hitady"
Mipololotra mandritra io "visavisan'ny
hoavy" io ny fanantenana fiainan-tsambatra eo amin'izy roa toy ny
"zava-tsoa", "mitovy saranga"... Ary ny filazana fa "Teto izahay vao niandoha tsy nanana"
aza dia midika fa efa nisy harena voaangona tatý aoriana. Ekena koa
anefa fa sedra voalohany atrehin'ny tokantrano vao ny tsy fananana ny
ampy.
Ireo ontana nosedrainy
Nandao ny
tranon-dray aman-dreny ny mpivady vao, izany hoe toerana misy ny
rehetra, ary nanorina tokantranon'ny fisantarana. Na eo aza ireo mety
ho fanomezana atolotra amin'ny mariazy dia tsy hary mivangongo ao
anatin'ny indray mipi-maso ny kanonkanona rehetra fa misy tokoa ny
fahabangana. Tsy vitan'izany fa nisy tokoa ny fihafiana sy ny fizakana
ny mafy ara-toekarena:
"Fa teto koa no niaretanay ny mafy
Nisotroanay ny mangidy sy
ny mamy
Ary tsy maintsy mihafy"
Misamboaravoara sy misamonta ny
fiainam-pitiavana araka ny fifanoheran-kevitra avohitry ny tononkira
amin'ny mpamaritra matoanteny "fa", entina hanehoana ny fetran'ny
hamaminy. Mifandraika amin'izany fiovaovana izany ny mamy sy ny mangidy
mandrakotra ny tantarany. Ary na fihafiana aza ny tokantrano, araka ny
fitenenana, dia mety ho ny fahatezany mihitsy no voatohintohina ka
ilaina velomina indray na havaozina rehefa matimaty:
"Mbola eto koa no hamelomanay
indray fitia vaovao"
Misy fetrany tokoa ny fitiavana amin'ny
maha olombelona noho ny fahafatesana tsy azo ivalozana na ho haingana
na ho ela:
"Ary farany aza angamba eto no
hilevenanay."
Eo amin'ity hoe "angamba" ity no
mampihazohazo satria iray fasana ny mpivady araka ny fomban-tany, afa
tsy hoe nisara-belona na nampiakarina indray ravehivavy tamin'ny
nitondra tena. Raha zohina anefa ny "fiverenana" amin'ny tononkira dia
ahatarafana ny harefon'ny tokantrano:
"Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho hiandry
fitsikiana
Ny ho kivy sanatria f’izany ihany
ny fiainana etý."
Tsy nofaritana ny atin'ity sarinteny
"folaky ny haizina" nampitolefika ity ary iandrandrana fitsikiana
amin'ny hoavy. Ny marimarina kokoa dia misetra ny hotakotaky ny
fiarahamonina ivelany sy ny avy ao anatin'izy roa ihany ny fitiavana ka
mety hisamboaravoara indraindray.
***
Mahery
ny fitiavana, mamy am-boalohany ary mety haharitra toy ny
lamban'akoho koa na dia tsy ilaozana hontsankontsana aza indraindray.
Maro ireo tranga setrainy voatanisa ato amin'ity tononkira ity izay
ahatarafana singa poetika toy ny tamberin-teny, sarinteny, fifanoherana.
_____________________
Teto (Rambao)
Teto izahay no nanao ny fanekena
Vita tamin’ny fo madio fa sanatria
tsy nisy noterena
Teto izahay no nanomboka nizara
fitiavana
Tsy maty akory ireny fa mipetraka
ho tantara
Teto ihany koa no nanaovanay ny
voady
Velirano, visavisan'ny hoavy fa
hiaraka hitady
Teto daholo ny rehetra no nitranga
N’inona hidona na zavatra hihatra
Dia mitovy saranga
Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho hiandry
fitsikiana
Ny ho kivy sanatria
f’izany ihany ny fiainana etý.
Fa teto koa no niaretanay ny mafy
Nisotroanay ny mangidy sy ny mamy
Ary tsy maintsy mihafy
Teto izahay vao niandoha tsy nanana
Fa samy niady mafy mba hisy
zava-tsoa am-pelantanana.
Mbola eto anefa no hitoeranay
hatrany
Mandra-piavin'izay lahatra
fiantsoana
Ka handaozanay ny tany
Mbola eto koa no hamelomanay
indray fitia vaovao
Ary farany aza angamba eto no
hilevenanay.
Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho hiandry
fitsikiana
Ny ho kivy sanatria f’izany ihany
ny fiainana etý.
Andrianarisoa Jean Maurice - 1978
(Rambao)
Ireo nihira ny Teto
Eliane
sy Emma
Mahery
sy Bodo
Cover
Metal (by_Mainam'c)