Anjakan'ny
fihetseham-po faratampony ny fahafatesana, lohahevitra mahasarika poeta
maro, noho ny alahelo tsy manam-paharoa setrain'ireo mana-manjo sy ny
fijaliana mihoa-pampana mianjady eo am-pialana aina. Iray amin'izany
ity tononkalo Teboka telo ity, nosoratan'ny poeta Toetra Ràja mpivoy
ity trangam-piainana ity. Tsikaritra ao amin'ny tononkalo ny fizarana
roa miavaka amin'ny alalan'ny teboka telo (...) manelanelana andiana
andininy vitsivitsy avy. Maneho ny lanjan'ny teboka telo mialoha ny
fahafatesana ny voalohany. Ny tranga aorian'ny fahafatesana kosa no
avohitry ny fizarana faharoa. Araka izany lamina izany koa no hivoizana
ity fandalinana ity.
_______
TEBOKA TELO
Alohan'ny hahafatesako,
alohan'ny handrenesako
ny ngidin'ny baraingo,
tsoraka amam-paingo,
dia hampamelovelo
ny teboka ankitelo...
ho fisavana lalana
ny farany miandalana.
Ny tsipi-panohizan'
ny voka-pikirizana
no mariky ny vita,
miampy ireo tsy hita.
(...)
Aorian'ny hahafatesako,
na tapitra ny resako :
ny teboka ankitelo
hanony ny alahelo,
fa takatrao ny soratro
taratra amin'ny holatro,
tsy ho very maina
fa teny mbola miaina!
Toetra Ràja
13 mey 2026
***
Teboka
telo mialoha ny fahafatesana
Fialan'ny aina ny fahafatesana. Fotoana mialoha izany anefa no
iantombohan'ity fizarana voalohany ity izay miendrika faminaniana ny
zavatra hiseho eo an-katoky ny ora farany. Karazana fitantanana
am-pitoniana mankany amin'ny fahafatesana no hevitry ny teboka telo
voalohany eto, ilay hampamelovelo:
dia hampamelovelo
ny teboka ankitelo...
ho fisavana lalana
ny farany miandalana.
Fiandalanana mankany amin'ny fahafatesana no ambara eto mba tsy hahery
setra sy hanampoka fa hanaraka dingana. Ao anatin'izany fotoana izany
no azo itanisana ireo miabo nanamarika ny fiainana fahavelona. Ny
tsipi-panohizana no mampifandray azy ireo amin'ny miabo hafa izay tsy
niharihary ny fisiany na dia tokony ho fantatra aza:
Ny tsipi-panohizan'
ny voka-pikirizana
no mariky ny vita,
miampy ireo tsy hita.
Entina hilazana izany fa nahavita ny adidiny teo amin'ny fiarahamonina
ilay handao ka ilaina mihitsy ny manambara izany zava-bitany izany, tsy
ho azy tompony irery ihany fa ho an'izay afaka mihaino sy mandray izany
koa.
Aorian'izany dingana izany kosa no azo iheverana ny firosoana amin'ny
tena farany: ny fialana aina araka ny efa tsikaritra teny
am-piandohan'ny tononkalo.
Alohan'ny hahafatesako,
alohan'ny handrenesako
ny ngidin'ny baraingo,
tsoraka amam-paingo,
Raha mbola manana fahafahana mihaino sy mahatsapa mantsy ilay eo
ambavahaona dia handre "ny ngidin'ny baraingo" sy ny "tsoraka
amam-paingo", izany hoe ireo nahoanan'ny velona mpanatrika. Fanaon'ny
havana akaiky mantsy ny manontany hoe nahoana loatra re "izy" no
lasana, na nantsoin'ny Tompo... kanefa ange ka mbola tokony ho izao na
izao...? Alahelo tsy omby tratra no marihin'ny tsoraka eto, izay
mifanelanelana amin'ny faingo fitanisana tranga isan-karazany
mahakasika an'izao fialana aina izao. Inona kosa àry no zavatra miseho
aorian'ny fahafatesana?
Teboka
telo aorian'ny fahafatesana
Ny fahataperan'ny resaka aloha no asongadin'ny mpanoratra voalohany eto
noho ny fitsaharan'ny asan'ny atidoha ka tsy mahabaiko intsony ny lela
efa tsy am-perinasa intsony rahateo. Karazana fiangaviana ireo akaikiny
mba tsy hitarazoka amin'ny alahelo no tsikaritra eto:
Aorian'ny hahafatesako,
na tapitra ny resako :
ny teboka ankitelo
hanony ny alahelo,
Fomba fampitoniana ny alahelon'ny mana-manjo ny famangiana sy
fampaherezana samihafa. Teny aloaky ny vava izy ireny ary mandona fo.
Ny andinin-tenin'ny poeta kosa dia mitoetra sy azo saintsainina mangina
sy amin'ny fotoana samihafa satria novolavolaina fatratra hanolatra ka
tsy ho azo kosehina:
fa takatrao ny soratro
taratra amin'ny holatro,
Raha tsy tafitan'ny poeta nandritra ny fotoana nahavelomany ny hafatra
dia iriny hitohy ny fahafahan'ny mpamaky hanakatra izany ao aoriana. Io
ilay teboka telo midika fitohizana, ahatsapana fiampitana sy fampitana
ny "filamatra" ho an'ny velona mbola afaka manohy ny zotram-piainana.
Mety ho anisany ny tolom-piainana. Manambara fitohizan'ny tsy mbola
vita ny teboka telo ary marika ilazana ny tsy mbola nifarana. Ny vatana
tokoa mantsy no maty fa ny teny mbola velona sy miaina hatrany :
tsy ho very maina
fa teny mbola miaina!
Raha nitsahatra tsy nikoriana intsony ny ranomainty, tapitra ny resaka,
ny fivoasana an'izay efa voasoratra kosa anefa dia tsy tokony
hanam-piafarana fa holovain'ny taranaka mifandimby satria kolontsaina
natao hamolavola ny fiarahamonina mitohy ny literatiora.
***
Fehiny, ivo sy hozatry ny fanehoan-kevitra ny teboka telo ato
amin'ity tononkalo ity satria manambara fiampitana miandalana mankany
amin'ny fahafatesana, fanomezan-danja ny miabo niainana, firosoan'ny
velona amin'ny ho avy, fameloma-maso ny asasoratra aorian'ny
fahafatesana... Manan-danja amin'ny fampitan-kevitra koa ireo
mari-piatoana hafa voatanisa toy ny baraingo, tsoraka, faingo,
tsipi-panohizana. Mora raisina sy misosa antsaina ireo fehezanteny fa
tsy araka ny maha mivadi-drafitra azy. Mifanjohy ny rimany, mainka
manamafy ny fahatsoran'ny fiampitana mankany amin'ny ora farany izany:
ny fahafatesana.
Tsikimilamina Rakotomavo