Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana
| Sehatra | Lahatsoratra

Fanadihadiana fohy ny tononkalo "Adala", Ny.
Ny. (Aina Herinandrasana) — 16/09/2026
Isan'ny manahirana ny sain'ny ankamaroan'ny
olona amin'izao ny mieritreritra ny fomba hiatrehany ny
fiainany. Misy ireo milona amin'ny lasa ka gejain'ny sainy
hihitsoka ao. Misy miasa loha mialoha amin'ny hoaviny ka
hadinony hatramin'ny ankehitrininy. Sokajian'i Ny. ho adala
ireny fa ny tena olon-kendry dia mifantoka amin'ny anio!
Marina fa "ny lasa tsy fanadino" saingy tsy natao hiverenana
lava na hijanonana izy ireny, raha toa ka hampihitsoka indray,
ka zary lasa vato misakana tsy handrosoana. Toy izany koa,
ilaina ny mieritreritra hoavy mamiratra, ny mety ho endrik'izany
saingy tsy tokony hiteraka rarintsaina na korontana isan'andro
izany. Azo apetraka ny vina dia ezahina tratrarina amin'ny
fahaizana miaina ny anio (fanomanana izany sahady). "Ny
fahaiza-mandamina no entina miady", hoy ny Baiboly. Ilaina,
araka izany, ny MIAINA AM-PITONIANA SY AM-PITSIKIANA ny anio!
Isan'ny fahendrena izany!
_____________
Adala...
Adala izay misaina ny ampitso izay tsy
fantatra:
Adala fa mifatratra
amin'ny adin-tsaina foana
tsy hita atao ahoana ;
sanatria manery ny sitrapon'Andriamanitra
hitoetra na hifangitra.
Adala...
Adala izay mitodika amin'ny lasa tsy hipody,
mitady fanafody
amin'ny aretin-tsy hanaritra ;
minia mandà "finaritra" ;
milona anaty senton'ny fo sy hakiviana,
te ho ory iniana.
Ny hany fahendrena?
Miatrika ny anio anaty fitoniana...
Miaina am-pifaliana
am-pananganam-bina!
Ny.
___________________
poetawebs@gmail.com