Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana
| Sehatra | Lahatsoratra

FAHAMARINANA
Toetra Ràja — 03/10/2026
Efa mila hampiteny ny
moana ny fanitsakitsahan'ny fiarahamonina ny fahamarinana izay
ekena fa fototra mampihisatra ny fandrosoana. Ahitana taratra
izany indrindra ny tononkalon'i STEHAR mitondra ny lohateny IANAO
IRERY IHANY izay nivoaka tao amin'ny Gazety Orimbato
tamin'ny novambra 1970. Efa 56 taona lasa izany saingy toy ny
vao nosoratana ho an'ny mponin'ny anio. Ahatarafana
lohahevitra samihafa ny tononkalo saingy telo no hasongadina
ka hatomboka amin'ny fanajana ny lesona napetrak'ireo efa
lasana. Manaraka izany ny fototra voalaza ho mangeja ny
fahamarinana. Farany ny fifikirana amin'Andriamanitra
manoloana izany.
***
Lesona
napetrak'ireo efa lasana
Manaitra ny
mpamaky avy hatrany ny mpanoratra dieny am-piandohan'ny
tononkalo:
Angamba hamangy fasana aho!
Angamba hifamahofaho
Fahamarinana no fotokevitra ijoroan'ny tononkalo; fasana no
itarihana ny resaka. Angambainy eto ny filaza ny
fitadiavam-bahaolana any am-pasana. Ahatarafana fiahotra izany
satria tsy manan-tsofina ny fasana, ny ao anatiny tsy hamaly.
Mampipololotra ny aingampanahin'ity poeta ity anefa izany mba
hahafahany mandinika ny halalin'ny fahamarinana nolalain'ny
efa lasana.
Nefa aho tsy hitomany,
Fa fandinihana ihany
Ny soa navelan’ireo
No hosainintsainiko eo!
Mbola angambainy koa ny mety ho fiatrehany fifamahofahoana
satria ny razany anie ka tsy nitovy fomba fiaina amin'ny
ankehitriny tamin'ny fahavelony. Ny tain'omby mivadika aza tsy
nisy nanombinana tamin'izany noho ny fandalana ny marina.
Amin'izao fotoana izao kosa, lasibatry ny mpandalo ny
vatan-dabiera miraraka noho ny fivadihan'ny kamiao mpitatitra
izany. Izany dona ifanoheran'ny vanimpotoana roa mielanelana
izany no isarihan'i STEHAR sahady ny mpamaky fa mizotra
amin'ny tsy araka ny tokony ho izy ny fiainana ka ilana fakana
lesona avy amin'ny fahendrena navelan'ny razana.
Tsikaritra amin'ny eritreritr'ity poeta ity fa fakana lesona
no hatao amin'ny alalan'ny fandinihana fa tsy amin'ny
alalan'ny talaho sy vavaka amin'ny maty:
Tsy hivavaka aminy aho,
Ary koa tsy hitalaho!
Tsy hangata-pitahiana
Na hitady fanampiana.
Eny, "fandinihana ihany"
ilay fahamarinana no kendren'ny mpanoratra. Tafiditra ao
amin'ny soatoavin'ny Malagasy izany saingy nozimbazimbaina ka
tsara hofotopotorina.
Fototra
mangeja ny fahamarinana
Voalaza fa olona
"miaina eto Madagasikara"
no fototr'izany. Anisan'ny voatanisan'ny mpanoratra "Ireo mba lasalasa ambony",
"Mpileladela-paladia", "Malagasy manan-tsaina",
"Andevozin’ny harena", "Olona tsy sahy mijoro amin’ny
halatra miseho"...
Toe-tsaina lomorina sy bobongolo kosa no fitaovana
raiki-tampisaka lalain'izy ireo toy ny fitiavan-tena,
fitiavan-karena, famadihana ny firenena... Tamana izay
tafaroboka eo anivon'io faribolan-dratsy io ary mahasarika ny
hafa hiara-mianoka ny ao. Mitsimoka avy amin'ny fitiavan-tena
ny tsy fahamarinana ka mampivoatra izay mpandala azy ho
andevon'ny harena. Mitaky toerana ambony anefa izany izay azo
ianihany amin'ny alalan'ny fileladelaham-paladia. Izay
tafakatra dia hahazo hery sy fahafahana mampiabo ny akaikiny.
Mihamibontsina ilay faribolan-dratsy ka mampihiboka ny
fiarahamonina ho sempotra. Izany indrindra no tian'ny
mpanoratra holazaina amin'ny hoe:
Mikiky izato Nosy mamiko,
Mitady handrakotra ny taniko!
Voasokajy ho naman'izy ireo koa aza ireo mangina sy manaiky
lembenana:
Olona tsy sahy mijoro
Amin’ny halatra miseho;
Sao, hono, ho torotoro
Raha manohitrohitra eo.
Lalim-paka ny fahavoazana, sempotra ny fiarahamonina ka tsy ho
voatr'olombelona ny vahaolana fa avy amin'Andriamanitra, dia
ilay "Ianao irery ihany" araka ny lohatenin'ny tononkalo.
Fifikirana
amin'Andriamanitra
Mahavariana ny
fomba nivoizan'ity poeta ity ny herin'Andriamanitra eo amin'ny
fiainana. Ankoatra ny tamberin'andalana "Ianao irery ihany"
dia voafantina ny teny nentina nanizingizina izany heriny
izany toy ny "irery", "ihany", "Hany". Nohajaina hatrany koa
ny sora-baventy fanaon'ny Kristianina amin'ny mpisolo anarana
toy ny "Ianao" sy ny "Hany".
Satria... Ianao irery ihany
No Andriamanitra eto an-tany.
Eny! Ianao, Ianao irery
No Hany afaka mijery
Sy mamongotra ny fery
Ny hevitr'izany dia ao "Aminy irery ihany" ny fanalahidin'ny
vahaolana ka ilaina ny manatona azy amin'ny alalan'ny vavaka.
Miendrika tonom-bavaka mihitsy ny andininy farany amin'ny
tononkalo:
Fantatrao ny faniriako,
Ny hany zavatra mba tiako :
Tompo ô! velomy indray
Hanjaka ao anatinay
Ny Fahamarinana nananan’
Ireo razana efa lasana!
Tsy misy miafina amin'Andriamanitra ny hetahetam-pon'i STEHAR
raha tsy mbola miloa-bava akory izy: "Fantatrao
ny faniriako". Ilaina anefa, araka izany, ny
manonona amin'ny molotra misokatra ny tonom-bavaka.
Tsy mifono hataka mahazatra ny tonony eto. Tsy fitalahoana mba
hampanan-karena ny mahantra, na hampiakatra ny
harin-karenan'ny firenena, na hampiroborobo ny fotodrafitrasa,
na hampiverina ny harem-pirenena norobaina... fa ny
hanjakan'ny fahamarinana ao anatin'ny tsirairay izay maty ka
tokony hovelomina indray. Izany no mahamaika an'ity poeta ity.
***
Ho an'i STEHAR manokana, anton'ny mampihisatra ny fandrosoana
ny fanimbazimbana ny fahamarinana. Tafiditra ao amin'ny
soatoavin'ny Malagasy anefa izany satria nolalain'ireo efa
lasana saingy nihatahan'ny ankehitriny. Ilaina mihitsy, araka
izany, ny mamotopototra ny fomba fiainan'ireo taloha, ary
indrindra ny manankina ny fiverenan'ny fahamarinana
amin'Andriamanitra. Azon'ny sehatra rehetra dradradradraina
izany fahamarinana izany ary antenaina ho ivon'ny lahadinika
ao amin'ny fikaonandoham-pirenena. Raha efa izany dia
hovoizina amin'ny kabary, toriteny, hira sy antsa tononkalo...
Izany no laharam-pahamehana amin'ny fandaharam-pianarana,
fiangonana, fitsarana, sampandraharaham-panjakana sy ny
fiarahamonina manontolo... Izay mitondra mankany amin'ny
fanovan-drafitra mahomby. Rehefa mirona mankany ny rehetra vao
azo heverina ny fianohana ny tena fandrosoana.
___________________
IANAO IRERY IHANY
Angamba hamangy fasana aho!
Angamba hifamahofaho
Hiverina ao an-tsaiko indray,
Am’izay fotoana izay,
Ny fahamarinana nananan’
Ireo havana efa lasana!
Nefa aho tsy hitomany,
Fa fandinihana ihany
Ny soa navelan’ireo
No hosainintsainiko eo!
Tsy hivavaka aminy aho,
Ary koa tsy hitalaho!
Tsy hangata-pitahiana
Na hitady fanampiana.
Satria... Ianao irery ihany
No Andriamanitra eto an-tany.
Eny! Ianao, Ianao irery
No Hany afaka mijery
Sy mamongotra ny fery
Mikiky izato Nosy mamiko,
Mitady handrakotra ny taniko!
Ireo mba lasalasa ambony,
Mpileladela-paladia,
Tsy te-hijery ireny intsony
Ireto masoko satria
Malagasy manan-tsaina,
Malagasy izay miaina
Eto Madagasikara
No indreo mikarakara
Ny tombon-tsoa ho an’ny tena,
Andevozin’ny harena
Ka mamadi-pirenena.
Olona tsy sahy mijoro
Amin’ny halatra miseho;
Sao, hono, ho torotoro
Raha manohitrohitra eo.
Fantatrao ny faniriako,
Ny hany zavatra mba tiako :
Tompo ô! velomy indray
Hanjaka ao anatinay
Ny Fahamarinana nananan’
Ireo razana efa lasana!
STEHAR
Gazety Orimbato Novambra 1970
___________________
poetawebs@gmail.com