Mitsidika
ny volana septambra. Miverina an-tsekoly indray ny ankizy manovo
fahalalana sy ireo tanora mandranto fahaizana. Manoloana izany
indrindra, nahasarika an'i Heriarilala Andriamamonjy ny
hamadibadika
tahirin-kevitra mety hahitana andalan-kanton'ny poeta mikasika
io
fianarana io.
Tsikaritra tamin'ireny hira fahiny ireny ny andalana mampirisika
ny ankizy hianatra sy milaza ny tombontsoan'ny fianarana:

"Rankizy malagasy ô,
Mianara taratasy
Vonjeo ny lakilasy
Ny soa manarangarana
Dia any am-pianarana."
Odéam Rakoto (Rankizy malagasy ô). Sary sy feo :
Youtube. Tononkira :
Serasera.org
Rehefa tafaresaka amin'ny mpianatry ny ambaratonga fototra dia
saika ho
mahay ity andinin-tononkalo ity avokoa ny ankamaroan'ny ankizy:

"O
Rankizy malagasy,
mianara
taratasy
hampisondrotra
ny tena,
miandry
anao ny firenena."
AéRa (Miandry anao ny firenena) in Boky
Malagasy 11ème
Rehefa nakisakisaka ny bokotry ny onjampeo dia nanaitra ny sofina
ireo
andalan-tononkira maneho ny ezaka ataon'ny mpianatra te hahomby:

"Tsy
nikely soroka aho namonjy sekoly,
namerin-desona
dia nazoto niari-tory
Tsy
maintsy nanao enti-mody vaovao."
Mamy Bastah, Tarika Rémy (Rafianarana), in
Youtube
Mbola tsy nivaona ny poeta ankehitriny rehefa nosokafana ny boky
iray
nivoaka tamin'ny taona 2023, mbola tazana ao ny teny
mampahafantatra ny
zava-tsarotra setraina rehefa mianatra:

"Horeseko...
horeseko sao haningotra ny aiko
Ny
hakamoana miana-desona mandoto izany saiko
Na
hafanana, na fanala izay mitondra fahalainana
Tsy
hampikoro ny filamatro izay raketiko ho fisainana"
Ny Voaroy (Horeseko) in Singo-panahy, tak 20
Na ireo poeta fahiny aza efa nilaza fa tsy moramora ny mianatra,
manaraka hatrany an-trano io fa tsy mijanona any an-tsekoly ihany:

"Mba
sarotra lahy 'ty enti-mody
Ny
saina domelina, ny andro lany
Kanefa
ny mpianatra te ho tody
Rehefa
mikiry dia hainy ihany."
Ny Rahona (Ny fikirizana) in Teny mamiko
8ème, Ratoejanahary Maxime, tak 119
Nojerena indray ireo horonantsarin'ny poeta maromaro ka voamarika
tamin'izany fa manana hafatra mafonja ho an'ny mpianatra ny poeta
anankiray:

"Aoka tsy
ho variana amin-javatra tsy ilaina
Fa
dieny izao mianara ho sarotra ambakaina.
Ny
ampitso re heverina, ataovy tsara tefy
Fa
olona mikiry no mendrika ho mpandresy.
Isakaizao
ny zoto, fadio ny be taraina
Halaviro
impito ny namana malaina."
Laharo (Hafatro ry zandry), in Éduquons à la paix évents
2024
Izany hoe lalana hiampitana hanasoavana firenena ny fianarana.
Manampy
ny tsirairay ho tody amin'ny tanjona irina izy. Saingy, tsy vita
moramora fa mila fiaretana, fikirizana, fahafoizana ny rehetra tsy
mahasoa sy ny naman-dratsy.
___________________
- AéRa : lahatsoratry ny
Poetawebs tamin'ny fotoana nahafatesany.
- Laharo : Randrianirina Laingo Hanitra Rova, nahazo ny loka
fahatelo tamin'ny lalao nokarakarain'ny vondrona
Andao hifarimbona amin'ny
ohabolana iray isan'andro (febroary 2026)
- Odéam Rakoto : poeta teraka tamin'ny 26 avrily 1922 ary
nodimandry
tamin'ny 6 novambra 1973, anisan'ireo 15 mirahalahy nanorina ny
Havàtsa-UPEM tamin'ny 1952
- Mamy Bastah : mpihira anisan'ny nanorina ny tarika Rémy tamin'ny
taona 1982
- Ny Rahona :
sorapiainana novokarin'ny Poetawebs
- Ny Voaroy : fanadihadiana ny tononkalony "
Sôva momba ny rano"