Hoy i Louis-Jean
CURTIS ao amin’ny bokiny Questions
à la littérature: "ny
literatiora dia natao ahazoana fiadanan-tsaina sy
hikarohana ny fahasambarana na farafaharatsiny ny
mahafinaritra fotsiny." Izany indrindra no
entina hisarihana ny saintsika mpamaky sy mpankafy haisoratra
amin’ity lahatsoratra ity. Matetika rehefa mamaky tononkalo
isika dia tsy vitan’ny mamaky fotsiny fa miaina sy mianoka
tanteraka izay voalazan’ilay asasoratra. Eo am-pianohana ilay
sangan’asa isika matetika no misento na mitomany na faly na
maneho hevitra tsy araka ny saina izany na koa vaky
eritreritra. Ny tena asasoratra izany eto dia ilay mamoaka ny
any am-pon’ny mpankafy na ny mpamaky tsirairay tsy miloaka. Eo
amin’izay fihetseham-po ateraky ny haisoratra izay indrindra
no asiantsika teny fohy ankehitriny. Araka ny voalazan’i Louis
CURTIS io dia mitondra ny olona ho any amin’ny fahafinaretana
sy filaminana ary fahasambarana ny tena asasoratra. Tsy midika
anefa izany fa izay asasoratra rehetra tsy mitondra
fiotanam-po na mampihetsi-po ny olona dia tsy literatiora
akory; fa ny tiana ahindra fotsiny eto dia ilay fahasambarana
ateraky ny literatiora.

Louis-Jean CURTIS (1947)
Sary nindramina t@ Wikipedia
Avy aiza tokoa moa ilay fiontanam-po sy ny hasambarana
aterak’ireny asasoratra ireny? Raha ny haisoratra manokana dia
avy amin’ireo votoatiny manainga ny fo sy milaza ny zava-misy
marina toa iainan’ny mpamaky sy ny mpankafy ka ireo no
mitondra ilay fiadanana, fahafinaretana sy fahasambarana ary
fitoniana ho azy ireo.

Handray ohatra
iray fotsiny isika dia ny tononkalo nosoratan’ny mpanoratra
namana iray,
tsy iza fa i HOBIANA
Lohateny : INAY
Raha nety mantsy dia ny foko
No efa nampindramiko azy…
Hahaizanay ho tena tia
Tsy hampahory anao toy izao
Sambatra izy fa tsy fantany !
‘lay fantatro aminao : tsy fantany
‘lay tsapako aminao : tsy tsapany
Sambatra izy
Fa tsy fantany ‘lay "tsapako aminao tsy tsapany"
Hobiana
Tsy hanadihady tononkalo akory isika eto fa fanehoan-kevitra kely
fotsiny ihany no atao. Avy aiza ilay fahasambarana eto? Avy
amin’ny fitiavana marina, eny fa na manambara aza izy fa
nampitondra fahoriana sy manakorontan-tsaina ilay fitiavana dia
tsy nahasakana ilay fahasambarana tsy ho tanteraka anefa izany.
Raha atao teny fohy mantsy ny atao hoe fahasambarana amin’ny
ankapobeny dia fahafenoana na eo amin’ny ara-batana izany na
ara-panahy. Ilay tsy mety maty fa hianohana mandrakariva araka ny
tenin’i
Maxwell
MALTZ manao hoe "
ny fahasambarana
dia toe-panahy raha tsorina ka ao anatin’izany ny
fisainantsika dia manana fahafinaretana." Ilay
toe-panahy ao anatin’ny tsirairay izay matetika no mifanojo
amin’ny aingam-panahin’ny mpanoratra ka mahatonga ireo mpamaky
hankafy sy mamoaka ihany koa ny vetsom-pony manoloana ny
haisoratra iray. Eto amin’ity asasoratra iray ity ohatra izao i
Hobiana dia miezaka mampita ilay fotoana iainana ao anaty ny
fitiavana izay misy sento nefa koa misy fahasambarana miampita.
Mifamatotra araka izany ny tontolon’ny fitiavana sy ny
fahasambarana eto. Koa raha misy mpamaky mianoka ity tononkalo ity
ka mifanojo indrindra amin’ny eritreriny na ny zava-misy iainany
ilay votoatiny dia eo no teraka ilay fahasambarana sy hafinaretana
ao anatin’ny tsirairay.
Hamaranantsika azy dia tsikaritra fa zavatra iainana sy
katsahin’ny olona isan’andro ny fahasambarana satria izany no
mitarika ho amin’ny filaminan-tsaina sy fitonian’ny fo ary
mahatonga ilay fanahy ao anaty tsy haniry zavatra hafa ivelany
intsony. Mandray anjara betsaka amin’ny fampitana fahasambarana
amin’ny alalan’ny fampiainana ny zava-misy eo amin’ny
fiarahamonina ho an’ny olona ny mpanoratra sy ny haisorany. Izany
ihany koa dia misarika ny mpamaky hikatsaka hatrany ilay lafatra
dia ny fahasambarana.
___________________