Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Poetawebs

Ialahy: kaloin'ny mpikanto
Tsikimilamina Rakotomavo — 23/09/2026
Fomba entina manaporofo ny fahaiza-miaina ny fifampiantsoana. Fototra ahafahana mifandray amin’ireo mpiara-belona amin’ny tena izany. Fahendrena lehibe napetraky ny Ntaolo ary anisan’ny harem-pisainana tsy azo avela izany. Voambolana maro no manamarika izany. Iray amin’ireny ny ialahy. Ny ialahy dia “fanajana ny zanaka lahy sy angolangola ataon’ny ray niteraka amin-janany” (Callet, 1908, tak 373). Ambaran’io mpandinika io ihany fa “ny olona mpisakaiza sy mitovitovy, raha mifampiresaka dia mahazo mifanao ialahy”.

***
Tononkalo vitsivitsy nifanojo tamin’ny jery izay mampivohitra ny lanjan’izany ialahy izany no aroso amintsika mpiseran’ny Poetawebs.

dia lasana ialahy ry Dina
Ilay tsy foy zazatiana
Eny lasana tokoa
Tsy nanao veloma akory
Nandao anay Mandrakizay
Nefa anie dia toa matory
Saingy tory tsy an-kifoha!...

Ilay, (Jolay 1987), Tontolo Isainana, tak 104

Anisan’ny tranga sarotra diavina ho an’ny ray aman-dreny ny miatrika ny fandaozan-janaka noho ny fahafatesana. Na nisy fiala-nenina na tsia dia mafy hatrany ny miaina izany. Ambaran’ny tononkalo eto ny fahakivian’ilay ray niteraka namoy ny zanany lahy izay nantenainy handimby azy rahatrizay kanefa nandao sahady ny tany. Antsoina amin’ny hoe “ialahy” ilay zanaka na dia efa lasana aza satria olona efa nifanerasera sy akaiky azy.

Mopera ialahy
Ilay mpiara-mihosom-bovoka tamin’ny
Tataviankena
Ilay mpampiesona mpivarotra fony teny an-tsena
Ilay mpangala-tahaka tany am-pianarana
Ilay fatra-pitsikilo amin’ny hidim-baravarana

 Mahefa, (29/06/04), Ambioka, 76

Na dia efa manana ny toerana tandrify azy eo anivon’ny fiarahamonina aza ny olona tsirairay dia mbola mipetraka hatrany ny fifampiantsoana fony fahazaza eo amin’ireo mpinamana. Eto amin’ny tononkalo dia ambara sy ampahatsiahivina ilay sakaiza avokoa ny kilemany rehetra fahakeliny. Koa na dia efa manana andraikitra goavana eo amin’ny sehatry ny finoana aza ankehitriny dia tsy mandratra ny sofiny akory ny fiantso hoe “ialahy” noho ny fifanakaikezana misy eo amin’izy ireo. Tsikaritra eto amin’ity tononkalo ity ny fahasahiana maneho izay voambolana tsy eritreretina na dia eo aza ny andraikitra goavana ananan’ny olona itenenana. Tsy mampiova ny fifaneraserana eo amin’ny roa tonta araka izany ny toerana misy azy ireo tsirairay avy eo amin’ny fiainam-piarahamonina.

Ka n’iza ialahy lehilahy
Tsy maintsy alaim-panahy
Raha mbola atao hoe manana
Ny mason’ny filan’
Ny nofo mihararetra

Rahery, Ambioka, 84

Mandritra ny tafa sy diniky ny mpinamana sy mpisakaiza dia mandeha ho azy eo am-pitenenana ny voambolana hoe “ialahy” ary mampiombona sy mampifanakaiky ao anatin’ny resaka izany. Voafaritra ao anatin’izany ny fiainana andavanandro izay hamakafakan’izy ireo ny toetra mampiavaka ny lehilahy. Notsoahiny tamin’izany fa sokajin’olona tia sy mikatsaka ny tontolon’ny nofo ny lehilahy ary tsy tomombana ny fiainany raha tsy manatanteraka izany. Hita fa mampiombona kokoa ny olona mifanerasera ny fifampiantsoana amin’ny hoe “ialahy”. Teraka ao anatin’izany ny fifankahazoana am-po sy firaisan-tsaina.

***
Tsikaritra avy amin’ny fandinihana fohy teo fa manasongadina ny fifandraisana eo anivon’ny fiarahamonina ny tononkalo. Miharihary amin’izany ny fifampiantsoana izay rohy mampifanakaiky bebe kokoa ny sokajin’olona samihafa.
___________________
poetawebs@gmail.com