Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana
| Sehatra | Lahatsoratra
Tononkalo
malagasy voalohany
Tsikimilamina Rakotomavo -
Poetawebs —
27/08/2026
"Midira ao an-tranoko, ry lalitra malala"
Midira ao
an-tranoko ry lalitra malala
No
fiarahabana 'zay nataon'i lehy hala
Fa feno
zava-tsoa re ny tranoko izao
Nahoana no
menatra miditra ianao...
Voambaran'ny mpandinika literatiora
samihafa fa io tononkalo io no anisan'ny sanganasa voasoratra voalohany
tamin'ny teny malagasy tao amin'ny gazety Teny soa. Nosoniavin'i R.B
ity tononkalo voalohany tsy miresaka finoana kristianina ity araka ny
voalaza. Nambara ihany koa fa tsy hita mihitsy ny
manontolon'izany tononkalo izany hatreto.
Niezaka
nikaroka àry ny tranonkala Poetawebs ary nahita ny "Teny soa
Jobily" nivoaka ny 1917. Marihina fa ity gazety "Teny soa Jobily" ity
dia mirakitra ireo lahatsoratra samihafa notsongaina tao amin'ny "Teny
soa" tao anatin'ny 50 taona lasa talohan'io 1917 io. Ahitana ireo
andininy rehetra ity raki-tsarobidy ity ary ialohavan'ny solfa
mifandraika amin'ny feon-kira isalorany.
Koa fifaliana ho anay ny manolotra antsika mpisera izay liana
amin' izany. R.BARON no nanasonia ity famoronana ity.
Fonon'ny gazety "Teny soa Jobily" nivoaka ny 1917
___________________
poetawebs@gmail.com