Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana
| Sehatra | Lahatsoratra

Ny literatiora sy ny IA
Heriarilala Andriamamonjy — 12/09/2026
Tsy
mitsahatra miroborobo ny teknôlôjia ankehitriny ary efa lasa
lavitra tokoa. Tato ho ato, nihanalaza ny ranitsaina
voatrolombelona na IA. Toy ny zavakanto rehetra dia miantraika
mivantana amin'ny literatiora io zava-baovao io ka tsy azon'ny
Poetawebs odian-tsy hita ny fisiany. Izany indrindra no nisarika
anay hanao izao famakafakana izao. Inona marina moa ny IA?
Mitondra soa ho an'ny literatiora ve izy io? Inona ny
fitandremana tokony hatao aminy? Hojerena misesy etsy ambany ny
valiny.
***
Voalohany, "Intelligence Artificielle" no hafohezina amin'ny hoe
IA. Maro ny dikan-teny malagasy efa niforona momba azy io. Misy
ny manao hoe "Itatra Atidoha", ao ny miantso hoe "Ilon-tsaina
Arin'Olombelona", misy koa ny manao hoe "Angon-tsaina Itatra".
Izany rehetra izany dia mba hitazonana ilay fanafohezana
iraisam-pirenena IA na AI daholo. Ny tena heviny kosa dia
teknôlôjia ahafahan’ny milina na solosaina mianatra avy amin’ny
angona maro sy manatanteraka asa izay matetika mitaky
fahaiza-manao maha olombelona, toy ny fahazoana sy famokarana
teny, famakafakana, fandikan-teny, ary famahana olana. Mazava ho
azy fa milina sy solosaina no miasa fa tsy olombelona.
Mitondra inona ho an'ny
literatiora izy io?
Faharoa, misy voka-tsoa eo amin'ny
literatiora ny IA. Azon'ny mpanoratra atao fitaovana
hanatevenana fahalalana izy. Hoy indrindra i Laharo rehefa
nakanay hevitra mikasika izany: "Mitarika ny saina amin'ny asa
famoronana hevitra na lohahevitra indrindra ho an'ireo vao
mianatra manoratra. Misy zava-baovao maro tsy mbola fahita sy
fantatra asehony eo, indrindra ny amin'ny vanimpotoana tiana
horesahina."
Tsy loharanon-kevitra ihany fa afaka manoro ny
teknikam-panoratana koa ny IA. Noho izy efa nahavoangona
fahalalana maro be sy afaka manao fikarohana eo no ho eo any
anaty tranonkala samihafa, dia azon'ny poeta atao koa ny
manontany azy ny fomba fananganana poezia iray. Ohatra hoe te
hanandrana hanoratra tononkalo mitantara na tononkalo miendrika
"sonnet" na "accrostiche" na "haiku" ny pôeta iray nefa mbola
tsy mahay izany mihitsy dia azony omena torolalana. Afaka
manitsy izay andrana vitan'ny poeta koa izy avy eo.
Mbola anisan'ny tombon-tsoa entin'ny IA eo amin'ny literatiora
koa ny fanafoanana ny tsy fahazoana tenim-pirenena hafa. Raha
misy tononkalo na tantara iray ohatra mahaliana ny mpamaky iray
saingy tsy amin'ny teniny dia tsy ampy iray minitra akory izy
dia hahazo ny dikan'iny amin'ny tenim-pireneny vantany vao
atsofony ao amin'ny tafatafan'izy sy ilay fitaovana
marani-tsaina izany. Noho izany, afaka mahazo ny literatiora avy
amin'izao tontolo izao ny olona iray izay tsy mahay teny vahiny
akory.
Misy tokony hotandremana anefa
amin'io IA io
Mampiforona mpanoratra sandoka ny IA.
Hoy i Miadana Ranaivoarivony rehefa tafaresaka taminay: "mamono
ny famoronan'ny mpanoratra io zava-baovao io." Jereo tokoa ange
e, efa maro izao ny mizara sombintantara na tantara foronina
anaty tambajotra. Rehefa vakina ilay izy dia hita sy tsapa fa
tsy fehezanteny voajanahary. Maro amin'izy ireny no tantara tsy
nosoratan'olombelona kanefa dia misy mitonona ho mpanoratra azy
tokoa. Mamita-tena ve izany ilay nanao sonia azy sa mamitaka ny
mpamaky?
Nanampy izany hevitra izany i Dahly hoe: "Mampihena ny lentan'ny
famoronana amin'ny zavakanto rehetra fa tsy amin'ny literatiora
ihany ny IA."
Mety hampihena ny fahaizan'ny mpanakanto izany ny tsy
fandanjalanjana azy ka tokony ho mailo ny mpanoratra. Izay no
tian'i Laharo hambara amin'ny hoe: "miteraka fiankinan-doha ny
fampiasana ny IA ka lasa tsy manana ny maha izy azy ny
mpanoratra. Mampihena ny asa famoronan'ny tena ny fiankinana
aminy, indraindray mety hivaona ny zavatra omeny."
Eo amin'izay mivaona izay indrindra no mety ho very koa ireo
zatra mandika teny amin'ny IA. Mety ho mbola tsy ampy ny angona
voambolana sy fomba fiteny eo am-pelatanany ka mety hanome
hevitra tsy mifandraika amin'ny tena marina izy na hanome
dikan-teny mikaviavia.
Raha ny tononkalo malagasy manokana dia mbola tsy azo atao ny
miantehitra amin'ny IA amin'izao fotoana itenenana izao. Mbola
tsy voafehin'ny IA ny tsaika sy ngadona ao amin'ny teny
malagasy. Mazàna rehefa asaina mamorona tononkalo amin'ny teny
malagasy izy dia mamorona teny tsy misy heviny mba hanenjehana
rima na koa mikorontana tanteraka ny refin'ny andalana
tsirairay. Ohatra iray izao ity, nasaina namorona "accrostiche"
momba ny POEZIA ny Meta AI dia izao no nomeny ary nilaza izy fa
miady rima ababcc:
P - Pisain'ny fo no miteny an-kalakalaka
Ô - Ôry mahery, mampihorohoro ny saka
E - Efa-dalana mankany amin'ny fanahy
Z - Zavakanto tsy mety lany fahiny
I - Iray feo fa samy manana hevitra
A - Angovo manome aina sy fanantenana
***
Raha aravona, tsy tokony handà fandrosoana ny mpanoratra. Na dia
izany aza, tokony hahay mandanjalanja ka tsy hamotika ny
aingam-panahy sy ny maha izy ny tena noho ny fisian'ny milina
mahay mitahiry sy mahay miresaka. Ilaina ny mampitombo
fahalalana amin'ny fitaovana eo am-pelatanana saingy tsy tsara
ny mampanao azy manontolo ny asan'ny mpanakanto. Ny fanahy no
maha poeta ny poeta, ny fanahy no manainga ny poeta hamosaka ny
ao an'eritreriny ka tokony hiavaka eny foana ny poezian'ny
manam-panahy.
________
- Sonnet:
Tononkalo misy andininy efatra ka mirafitra ho andalana efatra
avy ny andininy voalohany sy faharoa ary andalana telo avy ny
andininy fahatelo sy fahefatra. Malagasy mpiangaly azy : Dox,
Ny
Ako.
- Haïku:
Tononkalo japoney ahitana andalana telo ny andininy iray ka
voaisa ho vaninteny 5 +7 + 5 ny mandrafitra ny andalana. Efa
misy poeta hafa firenena manandrana manao azy.
- Accrostiche:
andinin-tononkalo izay ahitana litera voalohany isan'andalana
mirafitra ho teny misy heviny na anarana rehefa vakina
mitsangana. Ohatra:
Poeta tena mamy
Olona miavaka
Endrehina izy izany
Zavakanto lafatra
Ianao ange izany
Ataoko f'efa fantatra.
> POEZIA
- Dahly : poetan'ny Havàtsa-UPEM, manana asasoratra ao amin'ny
Singo-panahy, niantsa tononkalo tamin'ny Eri-maso tao amin'ny
Tranombokim-pirenena Anosy
- Laharo (Laingo Hanitra Rova): mpandihy, mpanoratra
- Miadana Ranaivoarivony : poeta efa namoaka lahatsoratra tato
amin'ny Poetawebs,
mpilalao tamin'ny tantara tsangana nosoratan'i Heriarilala "Tsy
hanompo Tompo roa"
___________________
poetawebs@gmail.com