Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Poetawebs

Mamola-tena hamola-teny!
Faniry Ezeckiel — 19/09/2026
Miroborobo manaraka ny fivoaran'ny fitaovam-pifandraisana maro ny filomanosan'ireo mirobo-drano anaty literatiora ankehitriny. Tsy atao hahataitra loatra na izany aza, tsy sarotra mantsy ny manapariaka izany. Ny famoronana koa etsy an-kilany  mitady ho difotra ao anaty hantsana. Misy ireo azom-pakam-panahy hangataka asasoratra avy amin'ny faharanitan-tsaina namboarin'olombolena (AI) ka hanasonia izany amin'ny tenany avy eo. Poizina miharo tangena ho an'ny tenany sy ho an'ny hafa anefa raha izany no hampiasana ny fivoarana. Ny kalitaon'ny haisoratra vokarina ihany no lalan-tokana hahatafavoahan'ny mpanoratra iray anatin'ireo setroka mahajemby ireo. Ahoana àry no hitaizana ny aingam-panahy hamokatra kanto mihoatra noho ny mahazatra?

Ekena fa tsy azo teren-ko masaka ny sorakanto iray fa miankina amin'ny fahamatoin'ny aingam-panahy kanefa tsy hatoy ho azy ny voankazo iray raha tsy voakolokolo ny tany haniriany. Ny hetsika miverimberina ataontsika olombelona no miteraka fahazarana rehefa voaangon'ny amparahatoka anaty lohantsika. Rehefa zatra isika avy eo dia manatanteraka izany matetika ary lasa foto-pisainana sy fiainana ary indrindra tonga toetra raiki-tampisaka ao anatintsika ilay fahazarana nateraky ny famerimberenana. Tahaka izany koa ny poeta sy ny mpanoratra: rehefa zatra mikaroka hevitra mafonja sy voambolana manaitra hampitana ny hafatra novolanin'ny aingam-panahy dia resy lahatra tsy hamoaka ainga tsy voadinika intsony. Lasa raiki-tampisaka anaty ra avy eo izany ka tsy saro-tanterahina, tonga mampiavaka sy maneho ny maha izy azy ilay poeta mihitsy amin'ny farany. Dingana lehibe nolalovan'ireo andrarezina nahatety ny vanimpotoana izany, tsy nionona tamin'ny talenta fa namola-tena hatrany hianihana ny avo indrindra. Samy niainga tamin'ny fianarana mamindra avokoa ireo poeta saingy ny finiavana no nampisondrotra ho ambony kokoa.

Dinihintsika anie ireo mpanao haiady na ireo mpisehatra amin'ny fanatanjahantena isan-karazany, tsy nisy tonga avy hatrany amin'ny fahafehezana ny sehatra misy azy fa nandalo dingana maro ary sedra mafy indrindra ny famolahan-tena. Nandray ny tenany ho fahavalo voalohany tokony hihoarana izy ireo. Ny mpiangaly literatiora koa, raha te hisongona an'ireo fefy maro  mety hanakona ny sahany, mila mamolaka ny peniny hanakorisa ranon-kanto miavaka amin'ny mahazatra. Ny hevitra mety hitovy, ny endrika mety ho sahala fa ny fanehoana izany no hampisongadina ny lentan'ny tsirairay.

Mitsoka mafy ny tafiotran'ny fandrosoana ankehitriny, izay hazo tsy lalim-paka mety hiongotra. Anjaran'ireo nomen-jara hihevo ny tany be midadasiky ny literatiora no mikolokolo ny sahany mba hamelana vony meva hanaingo ny vanimpotoana mifandimby. Raha tsy nampiasa angady intsony ny tantsaha fa milina  ohatra, natao hanafainganana ny asa fa tsy hamotehana ny voly izany. Ny fivoarana rehetra misy, natao hanampy amin'ny fanatsarana fa tsy handotoana izay nitoerana sanatria. Ny fametrahana loko miavaka sy kanto anaty diarin'ny habaky ny tsihitanoanoan'ny poeta dia fanantenana vaovaon'ny hoavy. Ny soratra tsy ho levona fa hilevina raha resin-tory ireo mpihazona ny penina. Koa andeha hamola-tena hamola-teny sy soratra tsy ho tototry ny atsangan'ny tsangambato (riaka navelan'ny fanantontoloana).
______________
Fampitahana ny tononkalo novolavolain'ny aingampanahin'olombelona (poeta) sy ny IA

ALEOKO (Novolain'ny aingampanahy)

Raha sarim-pahasambarana
No niainantsika teto
Dia nasiako fofonaina…

Ny lalana mifarana
Diningan'i Rapeto
Va mbola andrandraina?

Ny lanitra eo ambony
Ny tany nodiavina
Ny habaka nitarika

Nivolana tam-pony
Fa nisy anao notiavina
Sy namelako marika…

Mafaitra sy mangetana
Ny dinitra tsy ritra
Nitakovanan-dra

Hatramin'ny fahafatesana
Nantsoiko isa-minitra
Indrisy fa nandà!!!

Ireo dindon'ny natao
Namela farasisa
Mba iainanao va re?

Raha ny hanadino anao
No tena paradisa
Dia aleoko ny afobe!

FANIRY EZECKIEL
(03-11-2023)

Nafenina ny IA io tononkalo io. Natolotra azy kosa ny lohateny "ALEOKO", ny lohahevitra miampy teny fototra vitsivitsy. Niasa irery izy avy eo ary nanolotra ity heveriny ho ranitsaina voatrolombelona ity.

ALEOKO (tononkalo IA)

Aleoko tadidinao ilay hariva mangina,
Niaraka teo an-kianja, tanana mifandray,
Fa tao no nipoitra ny fitia voalohany.

Aleoko tsaroanao ilay lalana vovoka,
Nandehanantsika roa, orana mitete,
Ny anaranao sy ny ahy nosoratana tamin'ny tany.

Aleoko henoinao ny feon'ny gitara,
Nihirako anao tamin'ny alina maizina,
Ny masonao nitsilopilopy, feno fanantenana.

Aleoko tsy hadino ilay hazo mangabe,
Nipetrahan-tsika, nifampiankina,
Ka nianana hoe tsy hisaraka mandrakizay.

Kanefa tonga ny rivotra nampisaraka,
Nandao ianao, ny lalana nanjary roa,
Izaho sisa irery, mitana ny alokao.

Na dia lavitra aza ianao ankehitriny,
Ny dian-tongotsika roa mbola eo ihany,
Tsy voafafan'ny orana, na ny taona maro.

Aleoko mitomany toy izay manadino,
Aleoko maratra toy izay mamafa,
Ny anaranao voasokitra ato am-poko.

Ka na hifindra aza izao tontolo izao,
Na hihantitra aho, ho fotsy volo,
Tsy hanadino anao mihitsy aho, na oviana na oviana.

IA
(19/09/2026)
___________________
poetawebs@gmail.com