Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Poetawebs

Ny havana araka ny haintenin'ny omaly sy anio
Heriarilala Andriamamonjy — 27/09/2026
Ny fitiavan-kavana, soatoavina sarobidy amin'ny Malagasy. Poeta maro no efa nikalo ny fifandraisan'ny havana. Tara-kevitra iray tsy ho lefy laza io. Nefa, raha mpanoratra samihafa vanimpotoana no mivetso azy, misy elanelany ve ny votoatin'ny asasoratra? Andao hoe hampitahaina ny haintenin'i Estine Rinara Soa tamin'ny 1938, takila 441, sy ny an'i Imbitika Rambala tamin'ny 2020, nivoaka tao amin'ny vetso.serasera.org. Samy mitondra ny lohateny hoe "Ny havana" ireo hainteny ireo.

***

Teboka iombonany    

Ny lohateny no singa voalohany iraisan'ireto hainteny ireto. "Ny havana", mazava ho azy fa samy miresaka ny fifandraisana na tokony ho fifandraisan'ny olona iray ra ireo asasoratra mielanelana 82 taona ireo.

Samy mananatra mba hitia havana ny poeta roa tonta. Mampieritreritra ireo liana ady aman-kavana i Estine Rinara Soa raha nanao hoe:

"ary lozan'izay tia ady aman-kavana
 fa ny maty aza te-ho maro."
 Andalana faha-14-15

I Imbitika Rambala indray nampisaintsaina mba tsy hanao ratsy aman-kavana ka nilaza izay mety ho vokany any aoriana:

"Koa
 Asakasakareo mahavita ratsy amin-kavana
 Fa izay mahavita be no manenina"
 (andalana faha-37-38)

Samy tsy mety moa na ny manao ratsy aman-kavana na ny miady aman-kavana.

Ireo poeta roa tonta ireo samy nanambara fa tsy tsara ny manakalo ny havan'ny tena amin'ny havan'ny hafa. Hoy indrindra i Estine Rinara Soa: "Aza atakalo ny manitry ny hafa ny an'ny tena" (andalana 31). Oharin'ny poeta amin'ny zava-manitra mamerovero ny havan'olona ka mety hanintona ny olona taitaitra ka hanary ny azy. Ary i Imbitika Rambala nanao hoe:
"Aza tia havan'olona ka mankahala ny havan'ny tena" (andalana 19-20). Ny rano an-tamim-bato izay manjelatra mahasarika ny maso sy ny vary aloha mahafatra-po indray no nampitoviany tamin'ny havan'ny olona kanefa nampitandrina izy fa "tsy ahazoana" akory ireny rehefa anovozana.

Ny teboka iavahany

Tsara foana ny havana amin'i Estine Rinara Soa. Ankoatra ny fampitahana nataony tamin'ny zava-tsarobidy toy ny voahangy soa mitohy am-bozona, masoandro, volana... dia nolazainy koa ny anjara toerany. Anisan'izany ohatra ny:

"mamadibadika raha marary,
 mampitony raha azom-boina,
 manarina raha lavo"
 (andalana 24-26)

Izany hoe manampy ny havana rehefa tojo zava-tsarotra. I Imbitika Rambala indray nanafatrafatra momba ny toetra atao aman-kavana. Rarany ny tsy hanaovana ny havana ho filana tombontsoa. Mazava tsara ny fampiasany ny mpanampy "aza" izay manana lanja mandidy sady mandrara. Ny toetran'ny tsiriry mpiandry farihy, hitsikitsika ary sarivazo no atafiny an'izay tsy manary havana. Saingy tsy ekeny kosa raha fanararaotana ny soa eo amin'ny havana no anaovana izany. Salorany ny fanahin'ny tsiriry vorona indray ireo tsy mba mitoetra vao mahita ny fahasahiranan-kavana fa avy hatrany dia miova lasy.

Mananatra mafy ny poeta Imbitika Rambala mba hohajaina ny havana:
"Aza omena ambiny ny havana
 Aza omena sisa"
 (andalana 16-18)

Ny teboka iray tena iavahany amin'ny hafatr'i Estine Rinara Soa dia ny fahitany fa mety ho ratsy toetra ny havana. Izany no nahatonga azy hilaza eo amin'ny andalana faha-34 hoe "Mahareta  ny ratsy antaon-kavana", izany hoe misy fandeferana ao anatin'ny fihavanana tsy simba.

Ny hodidina namolavola ny tononkalo

 Fiarahamonina tao anatin'ny fanjanahantany sady tao anatin'ny vanimpotoana mitady ny very no niainan'i Estine Rinara Soa. Tamin'izany, novoizina mafy ny toetra amam-panahy maha Malagasy. Nentanina ny olona hiverina amin'ny soatoavina. Governora frantsay no nitondra ka inoana fa tsapan'ny Malagasy ny ngidin'ny tsy anilan-kavana na sara-kavana, indrindra fa ireo nanana havana lasibatry ny ady.
Imbitika Rambala, poeta teraka tamin'ny 1944, niaina talohan'ny fahaleovantena ary mbola miaina aty amin'ny vanimpotoanan'ny fahalalahana sy ny fahamaroan-kolontsaina. Nahita ny fivoarana maro nisy teo amin'ny fiarahamonina malagasy izy, nahita ny fomba fifampitondran'ny mpihavana fahiny sy izay mety ho tsy fahaizan'ny mpihavana mifanaja intsony ankehitriny.

***

Raha bangoina, manome lanja ny havana ny poeta malagasy. Tsy mitovy intsony anefa ny fifampitondran'ny mpihavana fahiny sy ny aty amin'ny taona roa arivo ka mahatonga an'i Imbitika Rambala aty aoriana manitsy sy manabe ny taranaka amin'ny alalan'ny hainteny vaovao indray. Efa misy havana manao toetra ratsy ankehitriny raha toa ka noheverina ho tsara foana ny havana tamin'ny taona 1938. Taona 2026 izao, raha misy poeta hafa miresaka momba ny havana, mety hisy singa vaovao ivelan'ireto asasoratra roa ireto ve ho voarakitra ao amin'ny asasorany? Mety ho inona izany?
___________________
NY HAVANA

Mba sambatra lahy itony ambiaty
Ririnina tsy mba mihintsana
Lohataona mamelana foana
Fahavaratra mirobona aok'izany

Ataovy toa izany ny fitiavan-kavana

Aza atao hoe
Soasoa no ataon-drahavana
Ka dia tsiriry mpiandry farihy izahay
Hitsikitsika mpiandry tanàna
Sarivazo tsy mandao havana

Fa raha ratsiratsy no ataon-drahavana
Dia tsiriry vorona izahay
Manifi-drano dia lasa
Mivoady andro hariva
Hodiana any aminay

Aza omena ambiny ny havana
Aza omena sisa
Fa ny soa atao amin-kavana
Tsy mba sitraka andro anaovana azy

Ary
Aza tia havan'olona
Ka mankahala ny havan'ny tena
Fa ny olon-kafa ange ka vary aloha e
Satria ny olon-kafa manana ny azy
Koa ny havan'olona toa rano atamim-bato
Jerena manjelatra
Tovozina tsy ahazoana

Koa
Ny fitiavan-kavana tsy boraborahina
Satria toy ny voara malandilandy
Raha borahina feno aloy
Fa ny anatra ataon-kavana
Dia anatra soa maharary
Tsy mba anatra fa ody aina
Koa mahareta ny ratsy ataon-kavana
Ary mahandrasa ny soa mbola ho avy
Fa ny heloka  ibabohana mody rariny
Koa asakarakareo mahavita ratsy amin-kavana
Fa izay mahavita be ange no manenina e


Imbitika Rambala - 02/01/2020
___________________
NY HAVANA

Voahangy soa mitohy am-bozona ny havana,
Ka haingo raha vory vahoaka,
fihambo raha sendra tsontsa,
mampifaly raha sendra misento:
izany no havana tsy manavangavana,
ka sitraka enti-matory,
tsaroana rahefa mifoha,
lavitra tsy mba adino,
akaiky tsy mahatofoka,
raha ilaozana mahabe alahelo,
mandao mahafeno hanina,
ka asakasak'izay manao ny ory tsy havan'ny manana,
fa voin-kava-mahatratra,
ary lozan'izay tia ady aman-kavana
fa ny maty aza te-ho maro.

Ny havana anie ka mamy,
soa toa an-dRamasoandro,
tsara toa an-dRavolana,
manafana andro ririnina,
fanilo raha feno haizina,
fa na lasa aza ny sakaiza
ka mandao ny ao atsimo sy ny ao avaratra,
dia ny havana sisa tandra vadin-koditra, mamadibadika raha marary,
mampitony raha azom-boina,
manarina raha lavo,
fa ory miaraka ory,
faly miara-paly...

Tsipolipolimanitra ery an-tsisim-boly,
ny azamanadino ery an-jaridaina,
aza atakalo ny manitry ny hafa ny an'ny tena;
aza manadino ny ra iombonana,
fandrao mpihavana aetrin'ny saina tsy ampy,
ka maty vao mifanondana.


Estine RINARA SOA(26/08/1938)
___________________
FINTINA SORAPIAINANA

Estine Rinara Soa
Poeta niaina tamin'ny vanim-potoana mitady ny very, nanoratra tamin'ny gazety maro, nanoratra hainteny. Anisan'ny nandray anjara tamin'ny boky Ohabolana Malagasy natontan'ny Librairie Mixte tamin'ny 1974.

Imbitika Rambala
Efa vahinin'ny Poetawebs tamin'ny tapatapakahitra
Ramboanomentsoandrainy Max Edmond no anarany, teraka tamin'ny 29 aogositra 1944.
- Namoaka boky fito: Eri-maso 1-2-3-4 (tononkalo, sombintantara, tantara an'onjampeo), Dindom-piainana (sombintantara), Kapo-batana sy Tefy Manta (sombintantara), Rabary sy Rajao (tantara an'onjampeo)
- Namorona ny vondrona Facebook "Andao HIFARIMBONA amin'ny Ohabolana Iray Isan'andro" tamin'ny 2022.
- Manana ny Mari-boninahi-pirenena : Officier de l'Odre national
- Manana ny Mari-boninahitry ny kanto : Commandeur de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture
___________________
poetawebs@gmail.com