Logo Poetawebs Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

RINDRINA - NIRIHAJA
Tsikimilamina Rakotomavo  — 19/07/2026
PoetawebsMihotakotaka ny fiainam-piarahamonina noho ny toe-javatra samihafa izay mitranga ankehitriny. Fisavoritahana mampivarahontsana no hita sy re etsy sy eroa ka tsy mampilamin-tsaina. Izany indrindra no nahatonga an’i Nirihaja hikalo ny "Rindrina" izay notsoahina tao amin’ny tahirim-peo Halo project. Nasongadiny fa miatrika tolona amin’ny sehatra marolafy ny isambatan’olona. Mitady hivarina any amin’ny fisaraham-bazana ny fiaraha-mivelona nolalaina fahiny. Araka izany dia miharihary ao amin’ny tononkalo ny hetraketraky ny fiarahamonina. Eo anatrehan’izany anefa no ahitana taratra fa misy ny fahasahiana mijoro manoloana ny tsy rariny. Halalinina mifanesy izany tontolom-piainana kaloina amin’ny feo kanto maroloko izany.
***

Ny hetraketraky ny fiarahamonina

Miseho amin’ny endrika maro ny adin-tsaina sy ratram-po vokatry ny fanakianana sy fanilikilihana ataon’ny mpiara-belona. Fanomezan-tsiny no amaritan’ny Malagasy izany. Koa na dia izay fihetsika, fiteny, fijery, fanao bitika indrindra aseho aza dia ahazoana fanamarihana sy fitsikerana avy amin’ny mpitazana avokoa. Ka izany no nahatonga ny poeta haneho ny hoe:
 
…ireo latsa
Sy ny rabiraby
Fanaon'ny mpandratra.

Miseho eto amin’ity ampahan-kalo ity ireo endrika isehoan'ny herisetra ara-pihetseham-po, dia ny fanalam-baraka sy ny fanesoana ataon'ny olona tsy manam-panahy. Mihevi-tena ho tsy nofo aman-dra izy ireny ka mahavita manimbazimba ny hasin’ny  fanahy maha olona.

Ireny ankolafiny ireny no mitambatra sy mivagongo hanjary fery tsy hay sitranina ka mampitanondrika ny loha. Miteraka fahakiviana, fisentoana lalina ary mety hiafara amin’ny fahatrotrahana izany. Hamafisin’ny kalon’i Nirihaja izany amin’ny hoe:

Ny kiakan'ny tomany
Nandrendrika  ahy omaly.

Mampitombo fatra ny hakanton'ny tononkalo eto ny fampiarahan’ny Poeta ny teny manantitrantitra filazan-javatra ka manome sary maneho fijaliana lalina iainana eo amin’ny tontolo itoerana. Tsikaritra ao amin'ny tononkalo ny vesatra ateraky ny fiarahamonina amin'ny alalan'ny fanaratsiana tsy mampandroso sy ireo fitsarana tsy ara-drariny.

Eo anatrehani’reny vesatra mianjady ireny anefa dia sanatriavina ny fanekena ho resin'izany fa safidina mandrakariva ny hijoro sy hitodika amin'ny fanantenana.
*

Ny fahasahiana mijoro eo anatrehan'ny zava-tsarotra

Zava-dehibe ny fandraisana fanpahan-kevitra rehefa tojo olana mangeja eo amin’ny fiainana. Mba hiarovan-tena amin’ireny mpisompatra ireny dia ilaina ny fahanginana amin’ny alalan’ny fitokanana amina sehatra mampitony. Hoy ny tononkalo: "Arindriko ny foko" sy "Akimpiko ny masoko." Ireo fomba fiteny ireo dia sary an'ohatra maneho ny ezaka atao hananganana "rindrina" hiarovana ny fo amin'ny fanaintainana. Tsy rindrina ara-batana izany, fa rindrina ara-tsaina sy ara-pihetsehampo. Mampita hevitra lalina amin'ny mpiara-belona eto ny Poeta mba hametraka ny tekinikan’ny fiarovan-tena hanalavirana ireo sokajin’olona mitondra korontana eo amin’ny fiarahamonina.

Na dia mafy aza ny sedra lalovana dia tsy mifarana amin'ny fahakiviana  akory izany fa mifanjohy amin’ny fanantenana. Eo indrindra no ametrahana ny finoana ho lalan-tsara hitarihana ny fiainana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Paikady lehibe naroson’ny Poeta ny  hoe:

Dia vavaka no asandratro,
Atambatro ny tanako
Hamoha hira mamy
Ho solon'ny androany.

Ny vavaka sy ny hira fiderana dia mariky ny fijoroana amin’ny finoana. Hatramin’ny fihetsika aseho mandritra ny vavaka dia voalazan’ny Poeta amin’ny an-tsipiriany. Sady manoro fomba fiaina, no mitarika ny mpiara-belona hametraka ny finoana ho laharam-pahamehana izy amin’izany. Rehefa miaina anatin’ny vavaka manko ny olona dia mahatsapa fa mitoetra hatrany amin’ny fanantenana sy ny fiadanam-po. Heverin’ny Poeta fa ny fahatsaram-panahy sy ny finoana no angovo hanoherana ny faharatsiana manelingelina fiainana. Mampitombo ny hakanton'ny tononkalo eto ny firindran'ny andalana, ny voambolana tsotra sy mora takarina kanefa mitondra hafatra goavana manaitra ny saina sy ny fo.


***
Raha aravona izay rehetra voambara dia tsapa fa tsy ilaozana olana ity tany fandalovana ity. Manjakazaka loatra ny tsy rariny sy ireo toe-javatra manakorontana ny fihetseham-po amam-panahy, hany ka mihamivarilavo ny fomba fisainana izay mampahantra ny firenena manontolo. Ny fametrahana  tetika sy paika hanarenana ireny fahalavoana ireny no natoron’ny Poeta amin’ny alalan’ny tononkalo. Tsy azo hamaivanina araka izany ny fahasahiana mijoro  amin’ny hitsiny ananan’ny tena manoloana ny tsy rariny mianjady. Raha ny tononkalo "Rindrina" no asian-teny dia hita sy re tokoa fa kanto. Ankoatra ny fomba filazan-javatra dia mampiavaka azy ny fiantsana manome aina ny feo arahin’ny feonkira lafika izay heverina fa mirazotra amin’ny andalan-tonkalo nantsaina.
_____________________

RINDRINA

Arindriko ny foko
Hinia tsy hahare
Ny kiakan'ny tomany
Nandrendrika  ahy omaly

Akimpiko ny masoko
Tsy hitodika ireo latsa
Sy ny rabiraby
Fanaon'ny mpandratra.

Fa raha misy eto faitra
Inoako marimarina
Fa misy koa amboaran'
ny fitia tsy mety lany
Miandry any ho any

Dia vavaka no asandratro,
Atambatro ny tanako
Hamoha hira mamy
Ho solon'ny androany.

Nirihaja
22 mey 2018