Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana
| Sehatra | Lahatsoratra
Ilaina
haha tononkalo ny tononkalo ve ny kanto?
Ny Avo Elabakaka — 10/09/2026

Rehefa miteny hoe
tononkalo isika, dia misy sary efa zatra mipetraka ao an-tsaina:
andalana mirindra, teny voafantina, rima, teny an’ohatra, ary hevitra
lalina. Matetika aza, raha tsy ao ireo, dia hisy avy hatrany ny
fanontaniana hoe: “Tononkalo ihany ve izany?”
Kanefa, mety ho diso toerana kely angamba ny fijerintsika.
Satria ny tononkalo tsy voatery hiseho amin’ny endrika iray
ihany. Misy tononkalo mirima, misy tsy mirima. Misy manaraka gadona
voarindra, misy malalaka. Misy feno fanoharana, misy kosa mampiasa teny
tsotra dia tsotra. Kanefa samy manana ny lanjany ara-kanto izy ireo.
Ny tena mampiavaka ny tononkalo dia tsy ny haingo ivelany fotsiny, fa
ny fomba anovany ny teny ho lasa mpitondra hevitra sy fihetseham-po.
Ny teny tsotra hoe “lasa izy”, ohatra, dia azontsika entina hilazana
zava-misy fotsiny. Fa rehefa apetraky ny poeta ao anatin’ny tontolo
iray, dia mety tsy hilaza ny fialana fotsiny intsony izy, fa
hahatsapana ny fahabangana. Eo dia efa manomboka hita taratra ny
mahakanto azy.
Inona marina àry raha izany no atao hoe “kanto” ao anatin’ny tononkalo?
Tsy voatery ho teny sarotra. Tsy voatery ho rima tonga lafatra. Tsy
voatery ho andalana voalanjalanja tsara ihany koa. Mety ho ao amin’ny
teny tsotra, mety ho ao amin’ny sary iray noforonin’ny poeta ao
an-tsain’ny mpamaky, mety ho ao amin’ny endrika iray tsy voalaza
amin’ny teny mahazatra. Ary mety ho ao amin’ilay hevitra mbola mitoetra
ao an-tsaina, na dia efa tapitra aza ny famakiana.
Ny tononkalo tsara dia tsy voatery ilay mampitolagaga antsika amin’ny
voambolana ampiasainy, fa ilay mampijery antsika zavatra iray amin’ny
fomba hafa.
Izany no mahatonga ny asasoratra iray tsy voatery ho “tsara feo”
vao ahitana kanto. Indraindray aza, ny fahanginany no miteny. Ny teny
fohy no mavesa-danja, ny fahatsorany no tena lalina.
Koa angamba tokony hovaintsika kely ny fanontaniana. Tsy hoe: “Ilaina haha tononkalo ny
tononkalo ve ny kanto?" fa “Aiza no misy ny hakanton’ny tononkalo?”
Ao amin’ny rima ve? Ao amin’ny teny voafantina ve? Ao amin’ny
firindran’ny andalana ve? Sa ao amin’ilay zavatra tsapantsika rehefa
mamaky azy Ary raha tsy hita avy hatrany amin’ny endriny, mety ho aiza
no hitadiavantsika azy?
Eo indrindra no tokony hanombohana mamaky tononkalo: tsy amin’ny
fijerena fotsiny izay lazainy, fa amin’ny fihainoana izay tiany ho
tsapantsika.
___________________
poetawebs@gmail.com