Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Lanjan'ny hambo ao amin'ny Tsy haiko
Toetra Ràja - Poetawebs  — 04/09/2026

Poetawebs

Antoky ny fahombiazan'ny rindram-piainana ny fahaizana mandanjalanja ny fatran'ny hambo ao anaty. Hampanonga ny fitokana-monina ny fifikirana tafahoatra aminy; mety hampiankin-doha kosa ny fiatahana aminy. Fotoana tena ilana ny heriny anefa no voambaran-dRandriamiarana Jean de Lacroix (Delacre) ao amin'ny tononkirany TSY HAIKO, izay hohadihadina amin'ny endrika tononkalo isalorany. Hofaritana aloha ny herin'ny hambo amin'ny fotoam-pahoriana. Manaraka izany, hosaintsainina ny tokony hananana azy mba tsy hiankinan-doha amin'ny hafa.

***

Hambo amin'ny fotoam-pahoriana

Manontany ny mpamaky momba ny heviny ny mpanoratra, isaky ny voalohan'andininy, amin'ny alalan'ny tamberin-teny "asa ianao raha ohatra ahy... na hino ahy... na homba ahy". Maneho fisalasalana izany satria mampizarazara hevitra ny mety ho fatra antonony fampiasana ny hambo. Ho azy manokana mantsy: "ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko hozakaina irery". Tsy ho zakan'izy samirery tanteraka anefa ny fahoriana, araka izany, fa ezaka no ataony. Amin'izao fiainan-tsarotra izao mantsy dia tsy ho moramora ny hanampy olona hamahana ny olany fa toy ny vato atora-pody ihany ireny fitarainana ireny araka ny voalazan'i Delacre hoe: "Tsy ilaina akory angamba hoy aho, ny mitantara lava izay manjo". Fitserana ihany angamba no azon'ny olona atolotra ary ny fiverimberenan'ny taraina aza vao mainka hankaleo sy hahasorena.

Tsy fahoriana lava anefa ny fiainana fa mazàna elanelanin'ny soa. Tokony homena lanja ao am-po ireny soa ireny na dia mety ho bitika aza: "Fa ny hasambarakeliko eto an-tany, dia koloiko tsy ho verivery". Mety ho bitika tokoa ny hafaliana ateraky ny tsikin'ny namana vao maraina, ny arahaban'ny mpandalo, ny saotran'ny nomen-tsoa, ny fifanenana amin'ny namana taloha, ny fahenoana hira mampifalifaly amin'ny radio, sns. ka raisina ho anisan'ny sarobidim-piainana sy "mampitraka loha".

Ankoatra ny mpanoratra dia maro ireo tsy mpitantara ny manjo toa azy:

"Asa ianao raha hino ahy
 Fa maro ireo mizaka fahoriana folo avo heny noho ianao
 Tsy haiko, ianao raha hino ahy
 kanefa tsy misoka-bava kely akory izy ireo na mitalaho"

Manainga ireo voadona hioitra ny fahanginana, araka izany: "Vao mainka volamena ho azy ny mangina" mba hirosoana amin'ny ady sy fitadiavam-bahaolana. Tsy handroso ny fiarahamonina anjakan'ny taraina fa zary aretina mifindra hianaka ao am-pon'ny maro. Olana lehibe ho an'ny mpitaraina koa ny fanomezana tsiny an'ireo niangaviana kanefa tsy afaka namonjy noho ny antony samihafa. Vao mainka hanembantsembana ny rindram-piarahamonina ny fitobahan'izany tsiny izany.
 

Hambo tsy hiankinan-doha

Anisan'ny iantefan'ny antso vonjy sy ny tsiny matetika ny havana amin'ny maha "akaiky vilany feno arina" azy. Tokony hohalavirina ny fiankinan-doha amin'ny havana araka ny hevitry ny mpanoratra: "Fa mafy koa raha mafy, raha ny havana hilampiana no indreo mandatsa". Hiteraka disadisa amin'ireo akaiky ireo ny tsy fananana hambo. Mbola naverimberin'ny mpanoratra any amin'ny farany mihitsy aza io vesatry ny latsa io:

"Tsy aleo niaina tsisy romoromo tamy ravimbomanga kely sy patsa
 Toy izay any amin’ny havana hanim-pitoloha, fa arahin-datsa"

Fara-fahoriana ny fihinanana ravimbomanga kely sy patsa rehefa ampitahaina amin'ny anaty vilanin'ny mpanam-bola. Hasambaran-kely anefa izany rehefa azo tamin'ny hatsembohana sy ekena hahavelona sy ho tetezam-piainana. Fitsinjovana ny fihavanana eto ny hambo ary hery fisarihana ny fiarahamonina tsy hirona amin'ny fijotsoana fahobe aterak'ilay areti-mifindra antsoina hoe taraina lava sy fiankinan-doha.

Raisin'ny mpanoratra ho harena aza ny hambo amin'izany zoro izany ka tokony hananam-be:

"Ilay hambom-po anananao tsy nindramin’iny na nataonao trosa
Ny maha-ianao anao, io no ataovy miavosa"

Ny tsy fananana ny maha izy azy izay indrindra mantsy dia vesatra ho an'ny tenany sy ho an'ny fiarahamonina ka tsy mampandroso fa mila havaozina.

***

Mampanonga ny fitokana-monina ny fifikirana tafahoatra amin'ny hambo; mety hampiankin-doha amin'ny hafa anefa ny tsy fahampiany ao anatin'ny tena. Hevitry ny mpanoratra manokana no naposaka. Misy koa anefa  ny heveriny fa iraisany amin'ny hafa toy ny fahanginana manoloana ny ady atrehina tsy angatahana fanampiana na amin'ny havana aza mba hitandroana ny fihavanana.
Filôzôfy sa poeta i Delacre ankoatra ny maha mpihira sy mpamoron-kira (tonony sy feony) ary mpitendry zavamaneno azy tao amin'ny tarika Black Jack's? Ny fantatra aloha dia feno anatranatra hatrany ny tononkirany ary misalotra endriky ny tononkalo. Ankoatra ny rima sy gadona fahita amin'ny tononkalo dia tsikaritra ato amin'ity hira ity koa ny sarinteny.

__________________
TSY HAIKO

Asa ianao raha ohatra ahy
Fa ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko hozakaina irery
Asa ianao raha ohatra ahy
Fa ny hasambaran-keliko eto an-tany, dia koloiko tsy ho verivery

Tsy ilaina akory angamba hoy aho, ny mitantara lava izay manjo
Mety ho maizina ny tany fa atrakao ny loha
Mety ho ratsy ny androany fa rahampitso ho soa
Satria efa voasoratra fa samy mba mizaka ny hazo fijaliany 
Samy manana kapoaka kely hisotroany ny rano tsy tiany

Asa ianao raha hino ahy
Fa maro ireo mizaka fahoriana folo avo heny noho ianao
Tsy haiko, ianao raha hino ahy
kanefa tsy misoka-bava kely akory izy ireo na mitalaho

Ezahiny tsy hisoritr’eny an-tavany eny kely akory ny hakiviana
Vao mainka volamena ho azy ny mangina, vao mainka harena ho azy koa ny fihafiana
Na dia fadiranovana aza izy tsy hitakiky aminao tsy handady
fa raha mbola misy fofon’aina mb’hijoroany dia aleony mitady

Asa ianao raha homba ahy
Fa aleo mizaka-tena dieny izao, sao dia ny aoriana no tsy zaka
Tsy haiko, ianao raha homba ahy
Fa mafy koa raha mafy, raha ny havana hilampiana no indreo mandatsa

Ilay hambom-po anananao tsy nindramin’iny na nataonao trosa
Ny maha-ianao anao, io no ataovy miavosa
Kanefa na dia izany aza hadinonao kosa
Milohaloha lanitra ny tena ka tsarovy f’indray andro any
Mbola mety mba ho lena sy ho potraka koa, raha mandia ny tany

Tsarovy ao an-tsaina anie
Fa ny havana raha tiana sy lalaina tsy azo iaraha-monina ela be
Mazàna ireo "kabary-tsy-valina" izay ataony mba mandratra fo
Hitroatra ve ny tena, mba ho aiza moa?
Hitady izay hierena, toa very zo!

Tsy aleo niaina tsisy romoromo tamy ravimbomanga kely sy patsa
Toy izay any amin’ny havana hanim-pitoloha, fa arahin-datsa

Randriamiarana Jean de Lacroix (Delacre)
___________________
poetawebs@gmail.com