Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana
| Sehatra | Lahatsoratra
Taorian'ny fahafahana, nisafidy ny
firotsahana ny "Printemps des Poètes 2027"
Toetra
Ràja —
28/06/2026
Fandikan'i
Toetra Ràja (Poetawebs) ny lahatsoratr'i Hocine Bouhadjera milohateny hoe "Après la liberté, le Printemps des Poètes 2027 choisit
l’engagement", nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Actualitté - Les
univers du livre ny 18/06/2026 à 18:17.
Efa
manomana sahady ny taona manaraka ny Printemps des Poètes taorian'ny
andiany 2026 nifantohana tamin'ny fahafahana. Hotanterahina ny 8 ka
hatramin'ny 31 marsa 2027 ny andiany manaraka amin"ity hetsika lehibe
natokana ho an'ny tononkalo ity izay niorina tamin'ny taona 1999.
Nosafidina ny lohahevitra "Ny tononkalo:
tontolo fandraisana andraikitra" mba hampahatsiahivana fa tsy resaka
endrika, fahatsapana na vakoka ara-kolontsaina ihany ny tononkalo, fa
tena firotsahana an-tsehatra, fanehoana fijery momba izao tontolo izao
ary fandraisana anjara mavitrika eo anivon'ny fiarahamonina.
________
Mihevitra ho nahataona olona maherin'ny 20
tapitrisa, na mivantana na ankolaka, tamin'ny alalan'ireo hetsika
nokarakarainy ny Printemps des Poètes andiany 2026. Nisandrahaka
manerana an'i Frantsa sy firenena 44 hafa eran'izao tontolo izao izany,
tamin'ny alalan'ny fihaonana sy famakiana tononkalo an'arivony,
fampielezan-kevitra, fampirantiana, hetsika an-tsekoly ary loharano
nomerika maro.
Mikendry ny hanohy izany fahombiazana izany
kosa ny andiany 2027 amin'ny fandinihana ireo endrika isan-karazany
isehoan'ny herin'ny tononkalo eo amin'ny fanabeazana, kolontsaina,
fiarahamonina, tontolo iainana, demokrasia, fiainana
anaty, ary zavakanto.
Olona maherin'ny 20 tapitrisa no voakasika
Nahasarika hetsika an'arivony tao Frantsa
sy tany amin'ny firenena 44 hafa ny Printemps des Poètes andiany 2026.
Nahavitana fitetezana ho an'ny tononkalo koa izany ka nahatontosana
fanentanana goavana miisa 15 tamin'ny faritany, nasionaly sy
iraisam-pirenena, ankoatra ireo hetsika miisa 139 nokarakarain'ireo
mpiara-miombon'antoka sy ny ekipan'ny Printemps des Poètes mivantana,
manerana an'i Frantsa sy any ivelany.
Nanome voninahitra poeta 254 ny boky
angon-tononkalo (anthologies)
miisa telo, navoaka niaraka tamin'ny Printemps des Poètes:
• Chemins de liberté. L'année poétique :
121 poètes d'aujourd'hui, navoakan'ny Seghers;
• Liberté – Visas pour un monde ouvert,
navoakan'ny Bruno Doucey;
• Mes premiers poèmes pour la liberté,
l'égalité et la fraternité, navoakan'ny Rue du monde.
Nanolotra boky angon-tononkalo marolafy ho
an'ireo mpikarakara tetikasa ihany koa ny Printemps des Poètes izay
milohateny hoe Liberté, ary ahitana tononkalo amin'ny endrika nomerika
sy horonantsary poetika fohy (capsules
poétiques) miisa 40, novakin'ireo
olo-malaza avy amin'ny tontolon'ny kolontsaina.
Nampitain'ny Délégation générale à la langue française et aux
langues de France, ny INDIGO, ny Nolinski Paris, ary ny
Union nationale des
fleuristes ireo votoaty ireo ka
nahafahan'ny besinimaro nisitraka sy nizara azy bebe kokoa.
Nanome vahana ny endriny ara-nomerika koa
ny hetsika, ka nahatratrarana takila 1,5 tapitrisa nojerena tao
amin'ireo loharanom-pahalalana momba ny tononkalo hita ao amin'ny
tranonkalany.
Sekoly, tanàna, peta-drindrina: tononkalo
avokoa
Nahasarika fatratra ny tontolon'ny
fanabeazana ny Printemps des Poètes 2026. Sekoly ambaratonga fototra sy
kolejy ary lisea tsy tambo isaina no nandray anjara tamin'ny hetsiky ny
volana marsa, ary Écoles en Poésie miisa
673 kosa no nanohy ny firobohany tao anatin'ny tontolon'ny haisoratra.
Niorina ihany koa tamin'ny
fiaraha-miasan'ireo Villes et Villages en Poésie miisa 145 ny hetsika, ka nahakasika mponina
manodidina ny 2,8 tapitrisa.
Natolotra ho an'ireo tanora 4 tapitrisa
voasoratra anarana ao amin'ny Pass Culture ihany koa ireo loharanom-pahalalana natokana ho
an'ny tononkalo ankehitriny.
Tao Paris, mponina 4 tapitrisa no nasaina
hihaona amin'ny tontolon'ny tononkalo tamin'ny alalan'ny peta-drindrina
fanentanana niarahana tamin'ny Kaominin'i Paris.
Tao amin'ny faritra Île-de-France, mpandeha
8 tapitrisa isan'andro no nianoka tononkalo noho ny fanentanana
niarahana tamin'ny RATP (Régie Autonome
des Transporrs Parisiens).
Nanentana olona 8 tapitrisa ny hetsika
Poésie en sous-sol (tononkalo ambanin'ny tany) niarahana tamin'ny
INDIGO, nampahafantarana ny tononkalo klasika sy ankehitriny ho an'ireo
mpampiasa toeram-piantsonan'ny fiara manerana an'i Frantsa.
Nisaoran'ny Printemps des Poètes i Isabelle
Adjani reny mpiahy ny andiany 2026, ny
poeta, ny mpikarakara ary ireo mpiara-misalahy 94.
Tononkalo : tontolo fandraisana andraikitra
Ho an'ny taona 2027, misafidy ny handinika
ny tononkalo amin'ny maha herin'ny fandraisana andraikitra azy ny
Printemps des Poètes. Miainga amin'ny eritreritra tsotra ny lohahevitra
"Tononkalo: tontolo fandraisana andraikitra": poeta tsy mba
mpialangalana. Atosany an-takila ny ampaham-piainany, ny fijeriny, ny
fironany, ny fifandraisany amin'ny hafa sy amin'izao tontolo izao.
Araka izany, ampiasaina amin'ny fenitra
maro samihafa ny tononkalo: fanabeazana, kolontsaina, fiarahamonina,
tontolo iainana, demokrasia, fahasamihafana, fiainana anaty,
finamanana, fitiavana, ary koa famoronana ara-javakanto.
Zary lasa fomba fiasa eo am-pelatanan'ny
poeta ny soratra mba hiatrehana ireo antsoin'ny Printemps des Poètes
hoe "rafitry ny haizina" izay miasa manodidina antsika. Raisina ho toy
ny teny nomena tahaka ny fanoloran-tena ny tononkalo. Ary tahaka ny
teny rehetra, afaka mamolavola ny zava-misy sy miasa ao amin'izao
tontolo izao izy.
Hetsika teraka tamin'ny taona 1999
Natsangan'i Jack
Lang tamin'ny taona 1999, niaraka
tamin'i Emmanuel
Hoog, teo ankilan'ny poeta André
Velter,
ny Printemps des Poètes. Hetsika lehibe indrindra atokana ho an'ny
tononkalo any Frantsa izy ankehitriny. Nifandimby nitantana azy i Alain
Borer, Jean-Pierre Siméon,
ary Sophie
Nauleau. Nandrindra ny hetsika
hatramin'ny volana jolay 2024 i Linda
Maria Baros.
Tontosaina mandritra ny volana marsa isan-taona ny Printemps des poètes
izay mampiako ny tononkalon'ny anio amin'ny vakoka ara-tononkalo.
Miely patrana manerana an'i Frantsa sy any
amin'ny firenena miisa 44 ny hetsika. Miantehitra amin'ny poeta ny
heriny, miampy ireo tambajotra midadasika ahitana sekoly, oniversite sy
ivon-toeram-pampianarana ambony, vondrom-bahoakam-paritra,
fivarotam-boky, tranomboky, trano famoaham-boky, teatra, tranon'ny
tononkalo, tranom-bakoka, tsangambato nasionaly, fikambanana ary
ivon-kolontsaina.
Ao amin'ny Bibliothèque de l'Arsenal, 1 Rue
de Sully, 75004 Paris, no foiben'ny Printemps des Poètes 2027 izay
hotanterahina ny 8 ka hatramin'ny 31 marsa 2027.
Toetra Ràja