Logo Poetawebs Poetawebs Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Akanga Tsara Soratra - sampana Antananarivo
Lanonam-pananganana - 22 aogositra 2026 - Tranombokim-pirenena Anosy
Faniry Ezeckiel - Poetawebs 
— 21/08/2026
PoetawebsMaresaka indray ny tontolon'ny literatiora ao an-drenivohitra ao. Hotanterahina ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox, ny sabotsy 22 aogositra 2026 amin' ny roa ora sy sasany tolaka andro, ny lanonam-pananganana amin'ny fomba kanto ny sampana Antananarivo ny fikambanana Akanga Tsara Soratra. Eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ity hetsika ity. Ankoatra ny fitokanana dia hahitana dihy sy hira ary antsa tononkalo mandritra io fotoana io.
Ao aorian'io fotoana eo Anosy io dia hotanterahina ao amin'ny EPP Tsarahonenana Tanambao Sabotsy Namehana, hanomboka amin'ny valo ora alina, ny Afonakanga.

Araka izany, hahazo vatsy ny saina amam-panahy ary hianoka fahafinaretana ny mpanatrika amin'ireo fotoana rehetra ireo.

Poetawebs
___________________
poetawebs@gmail.com