Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Miteny ny poeta manoloana ny herisetra
Kanto Mahaliana - Poetawebs  — 30/08/2026

Nihaona tamin'ny poeta maromaro ny Poetawebs anangonana andalan-tononkalo na tonom-bavaka ka ao anatin'izany ny andalana mivavaka ho an'ny mpiray tanindrazana tsy ho azon-doza. Nahazoana akony koa ny andalana mampahery ireo olona very zanaka sy maty havana. Amin'izao vanimpotoana mampihotakotaka izao koa dia nahazo toerana ny andalana manentana ny olona tsy hanao herisetra. Ialohavan'ny fampahafantarana fohy ireo poeta ireo ny andalan-tononkalony tsirairay avy.

PoetawebsAntsanitia Fehizoro

Poetan'ny Havàtsa-UPEM, mpilalaon'ny tantara tsangana "Ho tsiniko ve?" nosoratan'i Beolatra. Mpampianatra sy mpanabe any amin'ny ambaratonga fototra.
"Ny fanahy no maha olona ka andraso tsara ny hirifirin'ny tany
 Mbola ho tsapa indray andro any fa nisy vidiny ny rany."
 


Poetawebs

Antson'ny Avo

Poetan'ny Mpizaka SteLaRiM, mpianatra sangany tamin'ny andiany RANDRANA (Lalam-piofanana Malagasy-Japoney Ankatso), manana sombintantara ao amin'ny Sela Maradona.
"Tompo ô! Ianao no manome dia ianao tokony haka
 Ka mba sitrano re ny fo rotika maratra
 Fa indrindra indrindra, fongory hatramin'ny faka
 Ireo mpandatsaka aina mitady hahazo laka."

Poetawebs

Feno Fitiavana

Filohan'ny fikambanana Mikolo ny Kanto Maroloko, mpanoratra, mpitantara angano.
"Tsy haiko ny hangina, noho ny tranga misy eto:
‎ Namoy fianakaviana, ka maro no misento".
 Koa manentana antsika e, hitandro ny aina fatratra
 Ary ho anareo mpitondra "tratraro ireo tsy fantatra."


Poetawebs

Haintso Raveloson

Poeta, mpanentana fandaharana an'onjampeo, mpamakafaka momba ny kolontsaina sy fanabeazana (Kolo FM 88.8).
"Tsy indroa no miaina na izaho na ianao,
 Raha mihena ny ahy, tsy mitombo ny anao."


Poetawebs

Laharo

Poetan'ny Mikolo ny Kanto Maroloko, tafakatra dingana famaranana tamin'ny fifaninanana tononkalo sy sombintantara momba ny hatsaram-panahy nokarakarain'ny Éduquons à la paix events (2024), mpilalao tantara an'onjampeo.
"Ny tendrom-po ialao, fehezo sy asio fetra
 Fa tsy mba vahaolana ny resaka herisetra."


Poetawebs

Mi'Andry Berantoson

Poetan'ny Havàtsa-UPEM, manana asasoratra ao amin'ny boky "Ny marina tsy hamarina" sy "Ny Havàtsan'i Dol'Aj", nanao ny velakevitra "Ny kolontsaim-piarahamonina araka ny sombintantara nosoratan'i Heriarilala Andriamamonjy" (06 septambra 2025)
"Angataho ny Fanahy Masina hanoro izay hatao
 Andriamanitra hiaro, izy hivimbina anao."

Poetawebs

Niaina Kael

Poetan'ny Havàtsa-UPEM, manana asasoratra ao amin'ny "Singo-panahy" sy "Ny marina tsy hamarina"
"Ianao ilay te hilamina, ianao ilay te ho tony
 I Gasikara anie ka manana Andriamanitra inoany."



Poetawebs

Ni Fampita

Poetan'ny Havàtsa-UPEM, mpanoratra ny boky "Orima" sy "Tsy angola".
"Ry tsiky, ry tsiky, ry tsiky kanosa
 Navela hanarona ny fo mitroatra :
 Hitsaka, halatra efa tafahoatra
 Iniana alonjo an-tahotra, votsa."

Poetawebs

Nirinasoa Ratora

Poeta nandalina ny Haisoratra sy Kantom-bolana Malagasy tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo, mpanoratra ny tantara "Maty ho anao sa maty ho an'ny tanindrazana ?" sy "mpirahalahy noho ny fiainana"
"Ray ô, azoko atao ve ny mibaiko anao androany?
 Marary loatra izahay, mangirifiry mitomany
 Ny olombelona anie ka tsy tompon’ny aina :
 Herisetra, vono olona, samy tsy ilaina !"

___________________
poetawebs@gmail.com