Logo Poetawebs Poetawebs Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Akanga Tsara Soratra: hipoka ny efitrano
Poetawebs  — 29/08/2026

PoetawebsSehatra nifamotoanan'ireo mpandala ny literatiora ny Tranombokim-pirenena Anosy ny sabotsy 22 Aogositra 2026 lasa teo. Notontosaina tao amin'ny Efitrano Dox ny lanonana nampahafantarana ny fijoroan'ny Akanga Tsara Soratra sampana Antananarivo. Maro dia maro ireo nanotrona ity fotoana ity, feno hipoka ny seza tao amin'ny efitrano. Nanokatra ny fandraisam-pitenenana i Ela Nihetezana, mpitantana ny Akanga Tsara Soratra sampana Antananarivo. Nohamafisiny fa 40 mahery ireo mpikambana ao an-drenivohitra maneho fahavononana amin'ny fanandratana ny kanto. Toa izany koa ny fisokafana amin'ny fiaraha-miasa amin'ny rehetra izay te hifarimbona amin'ny fanomezan-kasina ny zava-kanto.

Taorian'izay dia nampahafantatra amin'ny ankapobeny ny fikambanana i Faniry Ezeckiel, mpanorina sy filoha nasionalin'ny Akanga Tsara Soratra. Nohamafisiny ireo teboka vitsivitsy tena mampiavaka ny Akanga Tsara Soratra: ny fiombonana, ny kalitao, ny fahafahana. Mivetso ny lasa, mitanisa ny ankehitriny ary manambara ny hoavy ny mpanoratra hoy izy ka atao ahoana ny hanery azy tsy hamosaka ny aingampanahiny? Nanipy teny ihany koa izy fa harena lehibe ao anaty fikambanana ny fahasamihafana ka tsy tokony hifanavakavahana.

Raha efa ny fandraisam-pitenenana dia niroso tamin'ny fiantsana tononkalo noravahina hira ireo mpikambana avy ao Antananarivo ka nozaraina telo ny seho: ny tanindrazana, ny fitiavana, ny literatiora. Nofaranana tamin'ny antsa malalaka sy fiaraha-maka sary avy eo ny tao amin'ny Tranombokim-pirenena.

Tsy nifarana tamin'iny tolaka andro iny ihany anefa ny hetsika fa nifamotoana teny Sabotsy Namehana indray rehefa rava avy tao, nandrehitra ny Afonakanga. Nisy fiara manokana nitatitra ireo mpianjoria hifampizara talenta sy hifandranitra hevitra niala teo amin'ny Tranombokim-pirenena nankeny an-toerana. Mandra-maraina ny fitaninana ny Afonakanga sy fiaraha-nifaly tamin'izany.

Poetawebs
Fandraisam-pitenenan'ny filoha nasionaly

Poetawebs
Faniry Ezeckiel, Orima Andrilalaina, Ny Ela Nihetezana

Poetawebs
Ireo mpitantana ao Ambatolampy sy ao Antananarivo

Poetawebs
Ireo mpikambana sasantsasany
ao amin'ny sampana Antananarivo

Poetawebs
Ireo mpijery nameno ny Efitrano Dox

Poetawebs
Hafaliana nasehon'ireo mpankafy

Poetawebs
Hafanana nandritra ny alina

Poetawebs
Fiombonana tao anaty Afonakanga
___________________
poetawebs@gmail.com