Ramatoa Filohan'ny
fikambanana Mikolo ny Kanto Maroloko na M.K.M. izay misalotra
ny solon'anarana hoe Feno Fitiavana no vahinintsika androany.
Mety ho efa nahita ampahan-tononkalony ihany isika mpanaraka
ny tranonkala fa anio kosa vao tena hahafantatra azy bebe
kokoa.
Heriarilala Andriamamonjy
Faly miarahaba anao izahay, Feno Fitiavana!
Feno Fitiavana
Faly miarahaba antsika mpanaraka ny
Poetawebs.
Heriarilala Andriamamonjy
Azonao lazalazaina fohifohy aminay ve ny sorapiainanao?
Feno Fitiavana
RAFENOMALALA Rondro Rosine no tena
anarana nasalotry ny ray aman-dreniko ahy fa "3R" no sonia
napetrako tamin'ny asasoratro tany am-piandohana, tamin'ny
taona 1995-2000. Teraka ny 30 martsa 1979, tao amin'ny Ho.Mi
Soavinandriana aho. Dimy mianadahy izahay ka faharoa aho ary
vavy tokana. Taorian'ny Bakalorea dia nianatra momba ny
fitantanana orinasa aho ary nahazo ny mari-pahaizana
mifanaraka amin'izany. Mpikamban'ny tanora lasalianin'ny
taona 2000 ary nampianatra "Alphabétisation" an'ireo" olona
sahirana ara-panoratana" teo Anosibe ny taona 1995-1999, sady
nampianatra tao amin'ny sekoly tsy miankina SAMBATRA
AMPAHATEZA ny 1997-1999.
Nanokatra sekoly tsy miankina ho an'ny zanaky ny zandary tany
Sakaramy-Joffre Ville Antsiranana aho tamin'ny 1999-2001
rehefa nomen'ny fanjakana ny fahazoan-dalana hampianatra.
Notohizina teto Antananarivo ny fampianarana rehefa nandao
an'Antsiranana noho ny raharaham-pirenena.
Heriarilala Andriamamonjy
Azonao lazaina fohifohy aminay ve ny momba anao eo amin'ny
tontolon'ny zavakanto malagasy, indrindra fa ianao sy ny
literatiora?
Feno Fitiavana
Eny, Tompoko. Nanomboka nanoratsoratra
tononkalo aho ny taona 1995. Nandefa asasoratra voalohany
tamin'ny haino aman-jery ny taona 1997 tany ho any. Matetika
aho no nampitondrain'ny tanora namana hafatra ho an'ny
olon-tiany, toy ny hoe: "Ao anaty tononkalo ny hafatra".
Mazava ho azy fa niompana tanteraka tamin'ny fitiavana ny
tarakevitra nosoratako tamin'izany, fa taty aoriana vao niampy
lafin'ny fitaizana sy tontolo iainana.
Nisehatra tamin'ny tononkalo sy angano aho ary nisahana ny
tantara tany an-tsekoly sy ny fiangonana ary ny fianakaviana.
Nanoratra sy nilalao tantara an-tsehatra "Heloka ibabohana..."
Niova anarana ho FENO FITIAVANA izay midika hoe Feno Malala
rehefa niditra lalindalina kokoa tamin'ny fanoratana ny taona
2000 ka mandraka ankehitriny.
Efa nitondrako ny asasoratro ireo haino vakijery toy ny Radio
Record, RDB, TVM, Free FM...
Mpikambana tao amin'ny "Gasy miantsa" aho ny taona 2018-2019,
nanohy ny fanoratana sy fiantsana tononkalo.
Mpikamban'ny F.M.M.S na Mpankafy sy Mpanoratra Sombintantara
aho nanomboka tamin'ny 2018 ka hatramin'izao fotoana izao ary
mpitan-tsoratra tao nandritry ny 3 taona. Mpanatrika
velakevitra sy atrikasa maro samihafa. Isany niketrika sy
niantsehatra ny HIRIKA I ny 07 septambra 2019 tao amin'ny
CEMDLAC Analakely,
Nitana andraikitra maha mpanolotsaina tao amin'ny
Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra na FMTS aho ny taona 2021
ka hatramin'ny 2025.
Isan'ny nanangana ny fikambanana M.K.M (niaraka tamin'i
Maminiaina mpanoratra sy mpitantara angano sy i Fortunat
mpamorona sy mpihira hiran'angano ary i Sitraka
Feno Tanteraka mpanao velakevitra sady mpanoratra ny
taona 2022 ary mitana ny andraikitra maha Filoha ankehitriny.

Notoloran'ny Ministeran'ny Serasera sy ny
Kolontsaina ny Mari-boninahitry ny kanto
"Chevalier de l'Ordre des arts, des lettres et de la culture" ny
taona 2023
teny amin'ny Kianja Maitso Analamahitsy
Nanohy ny fandalinana momba ny
fanoratana tononkalo sy nianatra nanoratra tantara kanto
tao amin'ny SAMPANA I indray ny taona 2024-2026.
Heriarilala Andriamamonjy
Ho feno efatra taona atsy ho atsy ny fikambanana najoronareo?
Mba lazalazao aminay hoe ny tsirin-kevitra namoronana io
fikambanana io.
Feno Fitiavana
Iray birao tao amin'ny F.M.T.S
izahay telo mianadahy notanisaiko voalohany.
Rehefa izany dia samy nahatsapa fa ilaina ny fikolokoloana ny
talenta sy ny zava-boaforon'ny saina mba tsy ho very sy mba ho
fanitarana ary fandraisana andraikitra amin'ny fanabeazana dia
teraka tao anatin'ny ady hevitra hampijoroana ny M.K.M.
Rehefa nandre tao anatin'ny fifampizarana traikefa moa i
Sitraka Feno tanteraka dia tsy nitsahatra nanohana anay
tamin'ny lafiny rehetra noho ny fankafizany fatratra ny
asasoratra sy ny kanto malagasy koa. Noho ny
fiaraha-miasa feno dia tafajoro ara-panjakana ny Fikambanana
M.K.M ny 21 septambra 2022.
Heriarilala Andriamamonjy
Taiza izany ary oviana ny hetsika voalohany nataon'ny MKM?
Feno Fitiavana
Nijoro ara-panjakana araka ny voalazako
tetsy aloha ny fikambanana M.K.M, tamin'ny 21 septambra 2022
ary nambara ampahibemaso tamin'ny hetsika ara-kolotsaina teo
ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina,
tao amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy, efitrano "DOX" ny 22
septambra.
LANONANA FANEHOANA AMPAHIBEMASO NY MIKOLO NY KANTO MAROLOKO
(M.K.M) mihitsy no nilazana io hetsika io.
Heriarilala Andriamamonjy
Maroloko, hoy ianareo, inona avy ireo sampana misy ankehitriny?
Feno Fitiavana
Nozaraina ho sampana telo ny fikoloana ny
KANTO ato amin'ny M.K.M:
I) ny SAMPANA Dihy
II) ny SAMPANA Tononkalo sy Sombintantara
III) ny SAMPANA tantara
Momba ity farany dia eo am-pampiofanana ny mpisehatra ny
tompon'andraikitra, satria izay avy miofana sy mianatra ny
fanoratana sombintantara sy tantara no ho mpanoratra ao
amin'ny sampana tantara.
Heriarilala Andriamamonjy
Inona no mampiavaka ny MKM?
Feno Fitiavana
Amin'ny maha Maroloko azy izay no mety
hiavahan'ny MKM amin'ireo fikambanana mitovy tarigetra aminy.
Izany hoe afaka mivelatra mikolokolo lafin-javatra maro
ny mpikambana. Ohatra: mampianatra ny mpikambana hisehatra ao
anaty tontolon'ny asa saina, vatana, fanahy sy asa saina ho
an'ny sekoly tsy miankina sy fanjakana, ny akany sy ny
fianakaviana mila anay, eny ho an'ny fiarahamonina sy ny
olom-pirenena ary ny Ministera mpiahy. Ankoatra izany koa dia
manome tolotra ho an'ireo fikambanana rahavavy manaiky hiaraka
miasa ny M.K.M.
Raha fehezina àry dia manaja ny talentan'ny tsirairay ny
M.K.M ka miombona amin'ny fikolokoloana izany. Mifampizara
traikefa hatrany!
Heriarilala Andriamamonjy
Inona ny hetsika lehibe indrindra nandraisan'ny M.K.M anjara?
Feno Fitiavana
- Eo amin'ny tontolon'ny literatiora dia
heverinay fa zava-dehibe indrindra ary mipaka amin'ny
fanabeazana ny fiantsana tononkalo sy fitantarana angano ho
an'ny mpianatra tao amin'ny Akany Iarivosoa Anosibe nandritra
ny taom-pianarana 2023-2024.
- Mifamatotra amin'ny literatiora ihany, endri-panehoana
ny voalazan'ny tononkira mantsy ny dihy, nampiseharin'ny
Ministera mpiahy sy ny Federasiona seho ankalamanjana
teny amin'ny Kianja Maitso Analamahitsy izahay tamin'ny
androm-pirenena ho an'ny kabary, 15 Janoary 2023. Tao amin'ny
Havoria Anosy kosa no voaasa handihy tamin'ny andron'ny kabary
2025. Tena raisinay ho voninahitra koa ny nanasana anay
handihy tao amin'ny Colisée Anatirova tamin'ny fankalazana ny
taom-baovao malagasy ny 30 marsa 2025.

Feno
Fitiavana nanolotra fanomezana an-dRamatoa Minisitry ny
Serasera Volamiranty Donna
tamin'ny androm-pirenena ho an'ny Kabary 2025

Ny
Mpikambana Mikolo ny Kanto Maroloko
miaraka amin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo
aloha (2025)

Ny
sampana dihy niantsehatra tao amin'ny Havoria Anosy (2025)
Heriarilala Andriamamonjy
Raha izany, fikambanana efa fanta-daza ianareo. Inona avy izany
ny hetsika mety hahitana ny M.K.M?
Feno Fitiavana
Araka ny voalazako tetsy aloha dia mety
hahitana ny M.K.M ny sehatry ny fitantarana angano, famakiana
sombintantara, fampiainana tantara, fiantsana tononkalo,
famelabelaran-kevitra, ary ny dihy. Ankoatra ny hetsika
karakarain'ny Ministera dia afaka manasa anay na sekoly na
Fiangonana na fikambanana. Ohatra amin'ireny ny Seminera
Zandriny Ambohipo izay nanasa anay hanao tononkalo sy dihy
tamin'ny fetin'ny reny 2024 sy 2025. Tahaka izany koa ny Ekar
Anjomakely, niantsanay tononkalo sy nanaovanay dihim-paritra.
Ny fanokafana fikambanana vaovao sy ny famoahana andiana
mpikabary toy ny teny Itaosy koa azo anasana anay.
Ankoatra izay, azonay atao koa ny filatsahana an-tsitrapo toy
ny efa nataonay tamin'ny fanomanana ny "RUN AND BIKE"
nokarakarain'ny fikambanana TAO teny Ambatobe.
Raha misy mila fanampiana amin'ny fikarakarana
lanonam-pianakaviana koa dia vonona izahay.
Heriarilala Andriamamonjy
Maroloko tokoa ny zavakanto sahaninareo raha izany. Ahoana ny
momba ny tetikasa manaraka?
Feno Fitiavana
Ny heveriko ho lehibe indrindra sy tokony
hambara dia ny famoaham-boky amin'ny anaran'ny M.K.M.
Hotanterahinay amin'ity taom-pankalazana fahefatra ity izany.
Ny asasoratr'ireo mpiofana sy mpandalina ao amin'ny SAMPANA I
tononkalo sy sombintantara no ho hita ao amin'io boky io, fa
ny SAMPANA sisa no handrindra sy handravaka ny seho
an-tsehatra mandritra ny lanonana.
Manaraka izay dia ny fampiharana ny fanoratana tantara sy
fitsarana izany ho azo lalaovina an-tsehatra.
Ary eo koa ny fampandraisana anjara ny mpikambana tsirairay
amin'ny velakevitra amin'ny lohahevitra samihafa.
Heriarilala Andriamamonjy
Zava-dehibe ny fahatsanganana boky ho an'ny mpanoratra ary
mahaliana daholo ny taranja raisinareo an-tanana. Ahoana àry ny
fomba hatao raha te hikambana ao amin'ny M.K.M?
Feno Fitiavana
Tsotra ny fidirana ho mpikambana ato
amin'ny M.K.M, fa misy fepetra sy fifampifehezana tahaka ny
fikambanana rehetra ihany anefa. Takina voalohany indrindra ny
fahavononana sy fahafoizana fotoana ary ny fitiavana
hifampizara talenta sy traikefa.
Manaraka izany ny antontan-taratasy maha olona:
Fanamarinam-ponenana 1, sary tapaka 2 ary dika mitovin'ny
karapanondro. Tsy manavaka saranga ny M.K.M koa MANASA
anareo sahady hifampikolo kanto aminay.
Heriarilala Andriamamonjy
Omeo hafatra àry ireo mpanaraka ny tranonkalantsika.
Feno Fitiavana
Eny, efa mihamaro no mirotsaka
an-tsehatra sy milona ary manandratra avo ny zavakanto sy ny
literatiora malagasy amin'izao fotoana izao. Ahitana
tarakevitra marolafy manaraka vanim-potoana izany. Aoka tsy
handraraka ilo mby an-doha isika mpikanto rehetra, fa isika no
fitaratra ho an'ireo ivelantsika amin'ny lafiny maro,
indrindra ny zavakanto.
Heriarilala Andriamamonjy
Mankasitraka anao, Feno Fitiavana! Mirary ny M.K.M hahavita be
eo amin'ny zavakanto, misaotra anao nanaiky ho vahininay.
Mandra-pitafa!
Feno Fitiavana
Misaotra ny Poetawebs niara-nitafatafa!
___________________
AIZA?
Aiza no misy ilay fo sy Fanahy
Tsotra sy meva ka mahasarika ahy
Hameno ny tenako iray manontolo
Fitiavana feno tsy asolosolo?
Aiza no misy ilay tena sakaiza
Ho afa-mihary sy ho afa-mitaiza,
Namana vonona hifanasoa
Sy vonon-kijoro na ino-manjo?
Aiza no misy ilay toera-milamina
Honena-mateza fa tsy indrakindramina?
Toa mbola baraingo no indro mijoro
Fa tsy misy mamaly, tsy misy manoro.
FENO FITIAVANA