Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra

Poetawebs

Ny Ela Nihetezana sy ny fijeriny ny literatiora
Ny Avo Elabakaka — 11/10/2026
Nanomboka tamin’ny famoronana hira sy ny fitendrena gitara ny dian’i RAKOTOSON Bertrand Eudesse, fantatra amin’ny anarana hoe Ny Ela Nihetezana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Niroso tamin’ny fanoratana tononkalo izy tatỳ aoriana, ary io no tena nahalalan'ny maro azy sy nahafahany naneho ny talentany. Ao anatin’ity resadresaka ity, dia hizara amintsika ny diany ara-literatiora, ny traikefany ary ny fijeriny ny tontolon’ny soratra malagasy izy.

Ny Avo Elabakaka
Miarahaba anao, Ny Ela Nihetezana, ary tongasoa eto amin’ny Poetawebs. Ho an’ireo mpamaky izay mbola tsy dia mahafantatra anao, iza moa i Ny Ela Nihetezana? Afaka mampahafantatra ny tenanao amin’ny mpamaky ve ianao?

Ny Ela Nihetezana
Miarahaba ny Poetawebs ary miarahaba ny mpanjohy ny rohy rehetra ihany koa.
"Ny Ela Nihetezana" dia anarana nisalorako, izay tsy misy idirany mihitsy amin'ny tena anarako.
RAKOTOSON Bertrand Eudesse no tena anarako, saingy tamin'ny taona 2018 rehefa tena nilona tanteraka tato anatin'ny tontolon'ny literatiora dia nosafidiko io anarana io.
Teny nandokafan'ny mpankafy ahy tamin'izany io ary tsapako ho toy ny hosotra avy any amin'ny Andriamanimbavin'ny soratra ka nisalorako.


Ny Avo Elabakaka
Fantatry ny maro amin’ny maha-poeta anao ianao, mijanona amin'izay ihany ve nefa ny literatiora voizinao sa mivelatra amin'ny zavatra hafa?

Ny Ela Nihetezana
Niainga tamin'ny famoronan-kira aho ary mpitendry Gitara ihany koa.
Teo no nihitatra ny nofinofiko, naniry hamoaka boky misy ny raki-tsoratro, ka dia nanoratra tononkalo. Mbola mamorona hira aho indraindray, ary efa manana hira vita raki-peo telo.
Fa ny fanoratana tononkalo no tena ilomanosako kokoa.


Ny Avo Elabakaka
Manao ahoana ny fandraisanao anjara amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny literatiora amin’ny ankapobeny? Misy sehatra, fikambanana, hetsika ara-kolontsaina efa nandraisanao anjara ve?

Ny Ela Nihetezana
Anisan'ny sehatra iray andraisako anjara mavitrika ny tontolon'ny zavakanto ara-tsoratra na entina an-tsehatra na aranty ampahibemaso, an-tserasera, sns.
- Ny fiandohan'ny taona 2019 nanokatra ny sehatra antsa tononkalo voalohany TAMBATRA Poetika tao amin'ny CMDELAC (IVOKOLO amin'izao). Teo no niaka-tsehatra voalohany.
- 2019 ihany, namoaka poeta miisa valo tafiakatra tamin'ny fifaninanana tononkalo nataonay tamin'izany tao anaty vondrona "Vetsovetso Tononkalo", sehatra nandraisako anjara ho mpitsara sy niakarako an-tsehatra ihany koa.
- 2021 Hetsika "Hiakam-pitia" Tranombokim-pirenena Anosy
- 2022 Hetsika "Ho Tantaraiko ve", Ankatso cité Rose
- 2022 ihany, Hetsika famoaham-boky "Ainga Atifi-danitra".
- 2023 Hetsika Latrom-poezia Rasalama
- 2026 Hetsika famoahana amin'ny fomba makotrokotroka ny fijoroan'ny fikambanana Akanga Tsara Soratra sampana Antananarivo.
Ary hatramin'izao dia filoha mpitantana an'io sampana Antananarivo io ny tenako.
Nisy Gazety maromaro efa namoaka ny asasoratro ihany koa toy ny Gazety Ngah, Taratra, Inona Ny Vaovao (faritra), Bojy Sns.
Toy izany koa ny fivahinianana tamin'ny haino aman-jery.


Ny Avo Elabakaka
Anisan’ny dian’ny mpanoratra ny famoahana boky sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanoratra hafa. Efa manana boky na asasoratra navoaka ve ianao, na anao manokana izany, na niarahana tamin’ireo namana?

Ny Ela Nihetezana
2020: Ny boky navoakako voalohany dia niarahako tamin'ny andriambavilanitra iray dia i "Bitsiky Ny Fanahy" na i Claudia.
" Bitsiky Ny Ela" no lohateniny, natontan'ny Fontsy Edisiona.
Hita ao amin'ny boky hafa ihany koa ny ampahany amin'ny asasoratro, toy ny boky "Tsimbazaza" , ny "Ilon'ny Fo Tia" navoaka tany Mahajanga.


Ny Avo Elabakaka
Nanao ahoana no fihetseham-po niainanao tamin’ny fotoana namoahanao boky voalohany? Ianao ve nahita fa nisy elanelana teo amin’ny zavatra nantenainao sy ny fomba nandraisan’ny mpamaky azy?

Ny Ela Nihetezana
Somary feno hafaliana ihany hoe tafavoaka boky ilay Vetsovetso hatramin'izay, saingy nahita lesoka ihany koa tamin'iny boky voalohany iny.
Be ny nankafý ary vetivety dia lany, nefa nahita kiana betsaka be ny mpamaky sy ny poeta hafa efa zoky ka tsapa teo fa maro ny fiomanana atao sy ny dingana lalovana raha te haneho zavatra kanto amin'ny manaraka.


Ny Avo Elabakaka
Andeha isika hanome toerana kely ho an’ny asasoratra. Afaka manolotra tononkalo iray hozaraina amin’ireo mpamaky sy mpanaraka ny Poetawebs ve ianao?

Ny Ela Nihetezana

Ny fara-veloma...
Tsy ahoako ny ravina raha tsy hihofa,
Antampon-kavoana
Ny rano an-kamory, na hiato tsy hitopa
sy tsy hiraondraona!
Ny jojo manginan'ny erika hariva
Nazàna nidona
Faranany koa, sy ataony madiva
Tsy ahoan-tsy ahoana!
Tsy ahoako izay fetran'ny onjan'ny rano,
Sy voahirana an-daingony
Ny morom-parihy izay manganohano
Ravahin'ny haingony!
Ireo antsa am-baliha, kaloina an-dokanga
Fahiny nitaona,
Novazovazoina eny an-danitra manga
Im-polo niantoana!
Mba lefitro ihany izay lonjon'ankaso
Handrongatra saona
Fa tsy vitako atrehina tsy an-dranomaso
Ny fara-veloma!

Ny Ela Nihetezana (Ainga sy soratra ihany)

Ny Avo Elabakaka
Nisy tantarany manokana ve ity tononkalo ity? Inona no zava-niteraka azy, ary manana hafatra manokana tiana ampitaina amin’ny mpamaky ve?

Ny Ela Nihetezana
Manana ny tantarany tokoa io tononkalo io, tamin'ny fotoana nanoratana azy.
Nahatsiaro ny tany niaviana aho, fa tao anaty ranomaso tamin'izany no nisarahako taminy, fony aho niala tany.
Dia teo no teraka ny aingam-panahiko.
Rehefa mba manimanina iny koa ianareo mamaky an'io tononkalo io dia azo atao tsara ny mizara azy.


Ny Avo Elabakaka
Samy manana ny fomba fijeriny momba ny antony anoratana ny mpanoratra, raha aminao manokana, inona no tokony hoentin’ny asasoratra iray ho an’ny mpamaky?

Ny Ela Nihetezana
Voalohany aloha dia tokony ho feno hatsaran-tarehy ny asasoratra iray, mba hahaliana kokoa ny mpamaky.
Faharoa dia tokony hampita hafatra foana ny asasoratra iray teraky ny aingam-panahy.
Ary farany dia tokony hamela zavatra tsara eo amin'ny mpamaky azy ilay asasoratra, ary hahatety ny vanim-potoana samy hafa.


Ny Avo Elabakaka
Misy ihany koa ny mihevitra fa tokony ho olona mahay mijery lavitra sy sahy miteny momba izay mety tsy sahin’ny hafa tenenina ny poeta. Ahoana ny fijerinao izany? Inona, araka ny hevitrao, no andraikitry ny poeta eo anivon’ny fiarahamonina?

Ny Ela Nihetezana
Tokony olona sahy miteny sy sahy mamboraka izay rehetra teraky ny ainga satria ny aingan'ny poeta dia mety ho zavatra iainan'ny sarambabem-bahoaka sy ny zava-misy eny amin'ny fiarahamonina.
Ny poeta dia mpisolo tena ny tsirairay, ka mamoaka ny hetaheta any am-pon'ny rehetra. Indraindray aza dia toy ny hoe fiainan'ny olon-kafa no raiketiny an-tsoratra.

Ny Avo Elabakaka
Mety tsy mpanoratra fotsiny ny poeta fa mpamaky ihany koa. Misy boky ve nanamarika manokana ny dianao ara-literatiora?

Ny Ela Nihetezana
Niainga tamin'ny famakiam-boky aho, ny Baiboly no boky nankafiziko indrindra ary voavakiko hatramin'ny farany.
Ny boky Bina ihany koa dia tena niondanako mihitsy ary nankafiziko.
Misy boky ara-tononkalo maromaro ihany koa nameno ny efitranoko ary hatramin'izao aho dia mbola sakaizam-boky.


Ny Avo Elabakaka
Raha jerena ny tontolon’ny boky sy ny famakiana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ahoana no fahitanao izany? Inona avy ireo olana heverinao fa mbola sedrain’ny boky sy ny literatiora Malagasy?

Ny Ela Nihetezana
Noho ny fivoaran'ny teknolojia dia vitsy ny tanora mbola voasariky ny famakiam-boky.
Ankilany ihany koa ny boky izay mivoaka dia andanian'ny poeta fotoana sy vola be, ary lany ron-doha mihitsy aza, nefa ny tamberim-bidy zara raha mahavoaloa akory ny tolotra.
Izany no anisany olana goavana sedrain'ny tontolon'ny literatiora.


Ny Avo Elabakaka
Ety am-pamaranana, misy hafatra tianao hampitaina na ho an'ny mpanoratra namanao na ho an'ny mpankafy ve?

Ny Ela Nihetezana
Hafatra ho antsika mpanoratra no anombohako azy.
Tohizo ny soratra, ary aoka mba tsy ho isika no sakana amin'ny fandrosoan'ny hafa.
Aleo mba mifanampy ihany, satria samy niainga tamin'ny hala-tahaka avokoa na fomba fanoratra na fiantsana tononkalo.
Saingy ilay hala-tahaka handroso fa tsy hala-tahaka hangalatra ny an'ny hafa.
Ho an'ny mpamaky: manentana anareo hatrany aho mba hanjifa ny boky sy hazoto hamaky boky fa manana fahalalana feno ny olona tia mamaky boky.
Dia mankasitraka anareo mpankafy ny literatiora malagasy.


Ny Avo Elabakaka
Misaotra indrindra anao, Ny Ela Nihetezana, tamin’ny resadresaka sy tamin’ny fizaranao traikefa teto amin’ny tranokala. Mirary fahombiazana hatrany ho anao amin’ireo tetikasa mbola ho avy.

Ny Ela Nihetezana
Misaotra ny Poetawebs nampiantrano tompoko.

___________________
poetawebs@gmail.com