Tsikimilamina
Rakotomavo
Miarahaba anao Raharintsoratra. Manitikitika ahy sahady ny
tantaran'izany solon'anarana izany.
Raharintsoratra
Salama tompoko! Ny hoe
"Raharintsoratra" dia avy amin'ilay anarako hoe: RAHARINTSOAMAMPITA =
RAHARIN(TSO) + SORATRA. Nosafidiko manokana io solonanarana io ho
fanehoana ny fiainako tanteraka ao anatin'ny soratra.
Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no mampiavaka anao amin'ny Poeta hafa?
Raharintsoratra
Ny mampiavaka ahy amin'ny poeta?
Ny mpankafy sy ireo mpandinika ny asasoratro angamba no tena mahita
an'izay fiavahako izay. Ny tsapako fotsiny izao dia eo amin'ny fotoana
hahatongavan'ny aingam-panahy. Misy vanimpotoana maharitraritra aho
tena tsy manoratra mihitsy indrindra rehefa tratran'ny rotoroton'ny
fianarana. Misy kosa anefa ao anatin'ny herinandro tena manoratra tsy
ankijanona na andro na alina ary tena mahavita miari-tory.
Tsikimilamina Rakotomavo
Aminao inona no atao hoe talenta?
Raharintsoratra
Amiko, "ny atao hoe talenta dia
ilay fahaiza-manao ananan'ny olona iray izay tsy itambarany amin'ny
hafa fa manavaka azy ao anatin'ny maro, toy ny pentina mainty eo
anivon'ny taratasy fotsy iray".
Tsikimilamina Rakotomavo
Raha hamaritra ny Poeta sy ny anjara toerany ianao dia ahoana no azonao
ambara?
Raharintsoratra
Amiko, "Ny poeta dia ilay olona
miaina ny fiainan'izao tontolo izao (miaina ny fiainan'ny olombelona,
ny zava-boahary hita maso na ny tsy hita, fiarahamonina ary firenena)
ka mahay mamoaka izany amin'ny amin'ny sora-kanto."
Tsikimilamina Rakotomavo
Mpanoratry ny ankehitriny ianao. Inona no tena mampiavaka izany sokajy
izany?
Raharintsoratra
Amin'ny
maha mpanoratry ny ankehitriny ny tena, ny mampiavaka ny mpanoratra
ankehitriny dia efa maro ny sehatra hahafahany maneho ny asasorany.
Ankoatra ny fisian'ny fikambanana maro dia manampy betsaka amin'ny
fampirantiana ny asasorany ihany koa ny fisian'ny tambazotran-tserasera
izay mampifandray kokoa ny mpanoratra sy ny mpamaky satria afaka maneho
ny heviny ao amin'ny taria ny mpamaky mizara izay fitsapana azony
mikasika ny rantin'asasoratra iray (Na izy mankafy na mitsikera). Izany
dia manampy betsaka ny mpanoratra eo amin'ny fanatsarana hatrany ny
asasorany ary tsy misy elanelany be toy ny taloha ny mpanoratra sy ny
mpamaky ankehitriny.
Tsikimilamina Rakotomavo
Hafa mihitsy ny fihetsikao rehefa miantsa tononkalo. Afaka manome
tononkalonao iray tena nandona anao izay namorona azy ve ianao?
Raharintsoratra
Maro ny asasoratro fa ity
tononkalo iray ity no tena nandona fon'olona maro be angamba:
MBA ANESORY IRAY SEGONDRA NY
MANDRAKIZAINAO
E! Tsy maintsy ho avy marina
tokoa moa izany kay
Fa ho tojo ny tena tianao ianao e?
Dia amin'izay fotoana izay,
voafafa mora foana ny lasantsika
rehetra
Dia tsy tianao ho tsaroana ny
fiaraha-nitoetra teo am-parafaranao
Kanefa raha mba mety,
anesory iray segondra ny
mandrakizainao
Dia ivereno hitoerana ilay
fipetrahantsika.
Dia 'lay daty nokaloina tsy
hohadinoina,
Novanao daty vaovao
Daty vaovaonao sy ilay olon-tianao
E! Sambatra ianareo
Kanefa raha mba mety,
anesory iray sengondra ny
mandrakizainao
Dia tsarovy indray mitopy ny
tsara izay mba vitako,
Izay vao hadinoy
Satrinao handalo ny lalana
falehantsika dia
hotakonanao dian-tongo-baovao,
ilay dian-tongotro iny
tsy ho hitanao intsony
E! Voafafanao ny lasako
Kanefa raha mba mety,
anesory iray segondra ny
mandrakizay
Dia alaivo sary an-tsaina ny
tongotsika roa niray lalana fahiny
Rehefa vita izay,
tsy maninona fafao
Raha mba mety re Rahavako,
italahoako ianao
Tsy maintsy ianao ho sambatra
amin'ny fiainam-baovao
Fa 'lay sariko any re e!
Aza mba fafana
Aza mba fafana na tsy hojerenao
intsony aza
Kanefa raha mba mety, anesory
iray segondra ny mandrakizainao
Dia mba banjino farany,
Alohan'ny handrovitanao azy
Anesory iray segondra ny
mandrakizainao
Dia mba atero mora eo
an-doham-parafarako eo ilay sary rovidrovitra
Mba anesory iray segondra ny
mandrakizainao
Dia mba banjino farany ilay
efitranoko
Sina sady moana
Fa ao ny tandindiko, miandry anao
rahavako
Mba anesory iray segondra ny
mandrakizainao
Hitondranao raozy mavo eo
an-doham-pasako
Mba hinoako tsara f'efa
tsy mila ahy intsony ianao
Mba anesory iray segondra ny
mandrakizainao
Dia mba tsofy rano, handry
am-piadanana ity nofo hody
vovoka
Mba anesory iray segondra ny
mandrakizainao
Hisentoanao farany
Raharintsoratra, talata faha 06/07/21, 20:30
Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no heverinao fa manavaka ireo tononkalonao?
Raharintsoratra
Ny
hitako fa manavaka ny tononkaloko?
Ny ankamaroany dia saika
tononkalo lava miendrika tantara mihitsy, azo atao tsara ny mamadika
azy ho sombintantara na tantara foronina. Maro amin'ireo asasoratro no
azo heverina ho mifampitohy mihitsy aza. Io izao dia misy tohiny fa
saingy ilay olona nandefasana io tononkalo io no mamaly ilay izy.
Ny anisany mampiavaka ny
tononkaloko ihany koa dia saika lasa ivon'ny tononkalo rehetra ny
fiainana ny fihetseham-po mandona fo na dia tononkalom-pifaliana aza.
Raha tononkalo maneho hafaliana dia mitoetra ho ivony foana ilay
"ranomasom-pifaliana". Raha tononkalon-katezerana dia mitoetra ho
fanehoana ny hatezerana ny ranomaso ao anatin'ny asasoratra. Raha
tononkalo fananarana dia hafa kokoa ny fananarana arahin-dranomaso
amiko.
Dia saika toy izany avokoa ny
hanasongadinana ireo karazana tara-kevitra maro be. Ny antony mbola
baraingo amiko hatreto...?
Tsikimilamina Rakotomavo
Mpampianatra ianao sady mpikaroka, inona no tolo-kevitrao hanatsarana
ny fomba fampitana ny tononkalo ka hahatonga ny olon-drehetra hankafy
azy miohatra amin'ny zava-kanto hafa?
Raharintsoratra
Amin'ny maha mpampianatra ny
taranja malagasy sy maha mpikaroka ny tena, lafin-javatra maro no tsy
maintsy takina mba hanatsarana ny fomba fampitana ny tononkalo ka
hahatonga ny olon-drehetra hankafy azy miohatra ny amin'ny zava-kanto
hafa:
1- Miainga avy any amin'ireo
mpanoratra na poeta. Izy ireo no fototra mpanangana ny asasoratra ka
takina amin'izy ireo araka izany ny hamoahana asasoratra tonga lafatra,
mahafeno ny fepetra rehetra takina amin'ny zava-kanto na amin'ny
endrika ivelany izany na anatiny. Mba hahatongavana amin'izany dia
ilaina ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo samy mpanakanto, famakiana
ireo asasoratr'ireo zoky izay heverina fa manana ny lazany, ary
indrindra ny finiavana miangaly ilay asasoratra mialoha ny hamoahana
azy mba ho tena hambabo ny fon'ny mpamaky.
2- Ny fampiasana ny vokatry ny
teknolojia. Efa tsy afa-miala intsony amin'ny vokatry ny teknolojia
isika amin'izao fotoana ary io no sehatra mora ifandraisan'ny rehetra
sy mora anapariahana azy na dia eo aza ny boky.
3- Avy amin'ny mpamaky. Na dia eo
aza ny firoborobon'ny teknolojia dia mitaky mpamaky hanana ilay fo feno
fankafizana ny tena zava-kanto feno fahendrena sy fanabeazana,
anisan'izany ny asasoratra vokarin'ny poeta malagasy. Manampy betsaka
mba hahitan'ny maro ilay asasoratra ny fanaovany fizarana ary azo atao
tsara ny manasa ny namana rehetra ao amin'ny Fosaboky mba hitia sy
hanaraka ilay pejin'ny mpanoratra/poeta mamoaka ny asasorany.
4- Ny fandraisana andraikitra
ataon'ny Ministera maro samihafa. Ny Fanjakana dia manana adidy ny
amin'ny fampanomezan-danja ny zava-kanto ao aminy, anisan'izany ny
asasoratra. Anisan'izany ny fanohanana ireo mpanoratra/Poeta amin'ny
lafiny maro, ny fanomezana sehatra ny asasoratra (fisian'ny hetsika
maro samihafa). Eo ihany koa ny fanentanany ny vahoaka ao aminy mba
hahatsapa ny lanjan'izany asasoratra izany eo amin'ny fiainana iray
manontolo.
Tsikimilamina Rakotomavo
Satrintsika hitafa eto hatrany saingy voafetra ny fotoana. Misaotra
anao nivahiny teto amin'ny Tapatapakahitra. Mandra-piresaka indray.
Raharintsoratra
Satry tokoa moa hitafa eto foana.
Dia misaotra indrindra an'i Tsikimilamina Rakotomavo nanaiky ihany koa
nandray ny tenako nivahiny teto. Misaotra indrindra nanome sehatra ho
anay mpanakanto mba hahafahana manandratra ny asasoratra malagasy.
Mandra-pitafa indray tompoko!
___________________