Heriarilala
Andriamamonjy
Faly miarahaba anao Ni Fampita Andrianaivo, tonga soa eto
amorom-patanay.
Ni Fampita
Andrianaivo
Miarahaba tompoko, azo ambara ho
vahinihiny ihany satria tsy tompon-trano! Misaotra indrindra, kambo,
amin' ny fandraisana.
Heriarilala Andriamamonjy
Manam-baovao ianao matoa tonga eto, lazalazao fohifohy àry!
Ni Fampita
Andrianaivo
Ny famoahana ny boky
amboaran-tononkalo "ORIMA" no vaovao maresadresaka avy aty amiko.
Hotontosaina ao amin'ny efitrano malalaky ny kaominina Imerintsiatosika
amin'ny alahady 02 aogositra 2026 ny famoahana amin'ny fomba ofisialy
ny boky. Aorian'io kosa dia hisy fampahafantarana sy famakiana
tononkalo vitsivitsy ary resadresaka hatao any amina toerana samihafa.
Anisan'izany ohatra ny amin'ny 16 aogositra izay hatao ao amin'ny
Akon'Ankaratra. Amin'ny volana septambra koa dia hisy eto
Antananarivo, ary hitety toerana hafa.
Heriarilala Andriamamonjy
Hitety faritra samihafa tokoa i ORIMA raha izany. ORIMA? Nahoana no hoe
ORIMA?
Ni Fampita
Andrianaivo
ORIMA satria ny hoe "ORIMA" dia
manondro "vatosoa" ary vatosoa tsy sahala amin'ny rehetra fa miavaka
noho izy... Aleo amin'io fotoana famoaham-boky io ianareo mahalala ny
mampiavaka azy sy ny ifandraisany amin'ity amboaran-tononkalo ity.
Heriarilala Andriamamonjy
Eny àry, tononkalo nosoratana teo anelanelan'ny taona firy ka
hatramin'ny taona firy no ao anatin'ny ORIMA?
Ni Fampita
Andrianaivo
Tononkalo nosoratana teo
anelanelan'ny taona 2021 sy 2026. Vitsy monja nefa no nosoratana
tamin'ity taona ity ary tsy maro ireo voasoratra tamin'ny taona lasa,
satria efa ho roa taona teo izay no nikarakarana azy ity.
Heriarilala Andriamamonjy
Nahoana no any Imerintsiatosika ny toerana nosafidinao hamoahana azy?
Ni Fampita
Andrianaivo
Any Imerintsiatosika no hamoahana
ny boky satria izahay avy any Itasy, ary indrindra notohanan'ny Ben'ny
tanànan' Imerintsiatosika io hetsika famoaham-boky io ka mety kokoa ny
hanaovana azy ao amin'ny tanàna iadidiany.
Heriarilala
Andriamamonjy
Andriamatoa Andriambolanarivo Parisoa no nanao ny teny fanolorana,
azonao lazaina anay ve ny antony nisafidiananao azy?
Ni Fampita
Andrianaivo
Andriamatoa Andriambolanarivo
Parisoa, izy no nanao ny teny fanolorana, satria ankoatra ny maha
mpanao pôlitika azy, dia mpitia literatiora izy. Ary heveriko fa ho
mora tazana sy mora raisina kokoa ny boky ORIMA raha eny an-tanany no
hahitana azy voalohany.
Heriarilala Andriamamonjy
Afaka mahazo andalan-kanto kely vé ho andran-tsiro ?
Ni Fampita
Andrianaivo
Vola, takon-kenatra,
Tsy mananjaka ny ratsy;
Vola, vidin-tehaka
Andihizan-dry ilay maty.
(...)
Vola !
Vola !
Mahatola !