Logo Poetawebs Poetawebs
Sorapiainana | Tapatapakahitra | Fandalinana | Sehatra | Lahatsoratra
NY ABIDIN'NY TOAKA
Heriarilala Andriamamonjy — 11/06/2026
PoetawebsTamin'ny taona 1880 no nivoaka tao amin'ny gazety Sakaizan'ny Ankizy madinika (1) ny "Ny abidin'ny toaka" nosoratan-dRajaonary, tamin'ny 18 oktobra 2019 kosa indray dia namoaka ny "Abidin'ny toaka" tao amin'ny vondrona  Christianity vs Islam (2) Religious Debate   i Naina R na i Tsindrano Maneho. Mety hifono inona àry ireo tononkalo samy manana ny maha izy azy ireo? Hahafahana mamaly izany fanontaniana izany dia hojerena misesy ireto fizarana ireto : Ny hodidina niteraka ny tononkalo, ny teboka iombonany ary ireo singa mampiavaka azy tsirairay.
***
Voalohany, "Ny Abidin'ny toaka" voalohany dia teraka tamin'ny vanim-potoana kristianina, vanim-potoana nahatongavan'ny fivavahana teto Madagasikara, nampiroborobo ny tarakevitra mitaona ny olona hiala amin'ny fahotana. Mpitandrina(3) rahateo Rajaonary  ka anisan'ny heverina ho fahotana ny fisotroana zava-mahamamo. I Naina R indray dia zanaky ny ankehitriny, tanora mpivavaka koa ny lehilahy satria vondron'ny Kristianina sy ny Silamo no namoahany ny asasorany tao amin'ny Facebook.  Monina  ao amin'ny faritra Amoron'i Mania izy ary Ambositra sy Fandriana no tena toeram-pivezivezeny, toerana izay manome vahana ny toaka gasy. Mahita tsara ny zava-misy eny amin'ny fiarahamonina izy rehefa misy olona mandray alikaola.  Heverina àry fa izay tontolo nisy azy izay no niteraka ny aingam-panahiny hanoratra ity tononkalo mampirisika ny olona hanalavitra ny toaka ity. Nilaza (5) mantsy izy fa mbola tsy namaky ny Abidia nosoratan-dRajaonary mialoha ny nanoratany ny Abidiny manokana. Maneho koa izany fa tena misy ny fifanojoan'ny aingam-panahy eo amin'ny mpanoratra.

Misy itoviany àry ve ireo asasoratra ireo?

Faharoa, misy teboka iombonan'ireo asasoratra ireo eo amin'ny votoaty. Samy milaza ny voka-dratsin'ny toaka ny andaniny sy ny ankilany. Rajaonary nilaza ao amin'ny litera M hoe "mangozohozo ny tenan'ilay tia toaka; mikainkona ny voa vokatr'izany." I Naina R indray ao amin'ny litera P nanao hoe:
"Poizina ratsy manimba ny aty
  mPamitaka loza, mampiditra am-paty".

Izany hoe samy mampahafantatra ny areti-mandoza ateraky toaka ny poeta roa lahy. Samy mahatsapa koa izy ireo fa mandritra ny vola eo am-pelatanana ny toaka. Hoy i Naina R ao amin'ny andalana roa farany amin'ny litera F hoe :
"Fafainy isan'andro ny vola ka lany
fotory mihitsy izay anton'izany."

Rajaonary kosa ao amin'ny litera A manao hoe :
"Adala ny olona izay tia toaka
Adabok'ireny ny vola ka lany".

Anisan'ny lafin-javatra resahin'izy roa lahy koa ny korontana ateraky ny toaka. Hoy Rajaonary ao amin'ny litera G hoe :
"Gidragidra lava no androm-piainany
Gaigy sy romotra no fomba fijeriny".

Naina R kosa ao amin'ny litera L manao hoe :
"Loloiny moramora dia mifaninji-tanana
 Lavo sy very ilay hoe FIHAVANANA."

Izany hoe samy milaza ny maha zava-doza ny toaka ireto poetan'ny vanim-potoana samihafa ireto. Mba inona kosa àry ny singa mampiavaka ny tononkalo roa?

Fahatelo, eo amin'ny firafitra dia samy miafara amin'ny "toaka" avokoa ny andalana voalohany amin'ny andininy tsirairay ao amin'ny tononkalon-dRajaonary ary tsy miady rima amin'io andalana voalohany io ny andalana telo manaraka. Raisintsika ohatra ny litera R:
"Rovitra akanjo no anjaran' ilay tia toaka
Ratsy fitafy izato vady aman-janany
Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
Ratra, rangotra no valim-pananarany"

 Miady rima ny andalana telo saingy tsy misy miady rima amin'ilay andalana voalohany. Ny an'i Naina R indray dia litera 19 ihany no nandrafetany ny tononkalony, izany hoe nifarana teo amin'ny litera T fa tsy nitohy hatrany amin'ny Z. Hoy izy:
 "Tapitra ireo Abidy ka faranako
  'Ty resa-toaka ity ka izao no ananarako
 Tsarovy fa ny toaka dia poizina ratsy
 Tandremo ry namako, HALAVIRO NY TASY"

Singa farany, eo amin'ny votoaty dia niresaka ny "helo" sy ny fahaverezana aorian'ny fahafatesana ny poeta Rajaonary raha toa ka tsy nilaza izay hiafaran'ny mpisotro toaka kosa i Naina R. Hoy Rajaonary ao amin'ny litera L hoe:
"Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
 Lalan' ny helo no indro izorany".
***
Raha fintinina dia tononkalo roa sarahin'ny elanelan-taona ela dia ela ireto kanefa mitovy ny foto-kevitra voizina. Eo amin'ny firafitra no misy iavahana kely. Ahatarafana ny zava-misy eo amin'ny fiarahamonina malagasy ireto tononkalo ireto. Tsapa fa ady tsy mety vita ny ady amin'ny zava-mahadomelina. Tsapa koa fa misy tanora afaka manabe sy mananatra fa tsy ny ray aman-dreny ihany no afaka manoro ny lalana tsara.
_______
1- Gazetim-piangonana niforona tamin'ny taona 1878 ka hatramin'ny taona 1883, io no niova ho Sakaizan'ny tanora
2- Vondrona ao anaty tambajotra sôsialy Facebook
3- Narivelo Rajaonarimanana, Désiré Andriamiadamanana Ranaivosoa, Rajaonary mpitandrina (1850-1902), 2009, Mpanonta Printy PRIMA, p 25
4-5 Araka ny resaka nifanaovana tamin'ny mpanoratra tamin'ny taona 2024
_______
Ny abidin'ny toaka (Rajaonary / Naina R.)
Heriarilala Andriamamonjy - Poetawebs
_______
ABIDIN'NY TOAKA - Naina R

A- Avia ry sakaiza hiresaka isika
    Andeha hifananatra sy hifanoro
    Avoahy fa misy abidy mifandika
    Nahoana ny toaka no rano mandoro???

B- Be loatra ny zavatra momba ny toaka
    Badenina mafy ny saina hamoaka;
    Boriky mandaka ny toaka mahery
    Baraka aman-jò palàny ka very.

D- Devoly mitsidika tonga handavo
    Delila mamitaka ireny ka lavo
    Doroany izay vola ka ataony mafafa,
    Dimbiasany loza ka miova ny tafa.

E- Ekena fa misy lalàna mandrara,
    Ezahina koa ny fitaomana tsara;
    Eferana sao mba ho ritra kanefa....
    Endrey izato heriny, ravany ny efa!!!

F- Firainy ho tola ny Zom-pirenena
    Fofoiny ho ritra ny foton-karena
    Fafainy isan'andro ny vola ka lany
    Fotory mihintsy 'zay anton'izany!!!

G- Gaga izay ho gaga fa loza ny toaka
     Gilio maha-raikitra itony vahoaka
     Gejainy 'reo zatra ka kenda mihoaka
     Goleda famindra rehefa mivoaka.

H- Hajainy r'ingahy fa hoe manam-bola
     Hadino tsy satry ny loha efa sola
     Henjaniny kely ho toy ny zatovo
     Hadiany ny lavaka, vita ny vovo.

I- Iniany roboina ho tokana an-tany
   Indrindra rehefa mba manana ihany,
    Ingainy ka mianjona toy ny mpanjaka
    Izay vao azerany ka mivanaka!!

J- Jereo ireto izy toa olona andevo
    Joketra fiaina sy lazolazoina
    Jenjina mafy raha toa mifanjevo,
     Jinjainy ho tola sy hibonabona!!

K- Korainy rehefa ho voa ny adala
    Kakeriny anaty ka mihoa-bala
    Ka inona moa fa manenji-balala
    Ka kijeja sy adrisa no lasa mpinama,

L- Lalalala tsisy fetra raha toa ny toaka
    Lasa toy ny Mpanjaka rehefa vory vahoaka
    Loloiny moramora dia mifaninjin-tanana
    Lavo sy very ilay hoe FIHAVANANA.
 
M- Maro dia maro ireo tiako holazaina
     Mety hanohina anao raha antsaina
     Mifona aho anefa fa na dia izany
    Mananatra ihany aho fa adidiko izany!!

N- Ny toaka sakaiza dia rano maloto
     Na ahoana, na ahoana fitoran'ny boto
     Na miendrika fotsy, na mainty, na mena
     Njila voretra, mandoto ny tena

O- Oadray izato ianao, sa izao ve no lahatra??
    hosihoseny 'zay mba voninahitra,
    Oriany hitsoroka izay kely tahiry
    Ovainy fahantrana no solom-bahiny

P- Poizina ratsy manimba ny aty
    mpamitaka loza, mampiditra am-paty
    Poleta mafaitra tsy misolanga
    mpamely moramora izay milangalanga!!

R- Ratsy ny toaka ry namako hajaina
    'Reo voatanisako atao an-tsaina
     Ravao f'aza avela hanorim-paka akory
    Reseo ny revirevy, halaviro, ajanony!!!

S- Sitrany anie ny hamongotra anao e
     Satriny mihitsy ny handavo anao
     Satria ny toaka mantsy dia FAHAFATESANA
    Saingy azo sakanana amin'ny faharetana

T- Tapitra ireo Abidy ka faranako
    'Ty resa-toaka ity ka izao no ananarako
     Tsarovy fa ny toaka dia poizina ratsy
     Tandremo ry namako, HALAVIRO NY TASY

Naina R.
________
ABIDIN'NY TOAKA - Rajaonary

A
Adala ny olona izay tia toaka
Adabok'ireny ny vola ka lany
Ataony ambody barika avy hatrany
Areti-mandoza no vokatr'izany

B
Bedain'ny sasany ilay tia toaka
Babon'ny Satana ny fony rehetra
Barika mandeha toa manjoretra
Baikoin'ny vola tsy misy fetra

D
Doran'ny sain'ilay tia toaka
Daka diamanga ireo mampijaly azy
Difotra ny ainy tsy vazivazy
Daroka sisa no mananatra azy

E
Efitrin' ny helo no fiainan' lay tia toaka
Eso, latsa no ravakin' ny androny
Efa lefy matroka izato masoandrony
Esorin' ny Satana ny kely manome ny heriny

F
Fasana no miandry an'ilay tia toaka
Fongana avokoa izay hany fananany
Fandrika miandry ny lalan-kalehany
Fonja manjohy ka mitady ny tenany

G
Godraka ny tenan'ilay tia toaka
Gaga ny olona mijery ny toetrany
Gidragidra lava no androm-piainany
Gaigy sy romotra no fomba fijeriny

H
Hetahatan'adala ny an'ilay tia toaka
Hevitra taingina no avoakan'ny vavany
Henatra baraka no mameno ny tenany
Hosoka halatra no fihetsiketsehany

I
Iza no mba havan'ilay tia toaka
Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany
Ilaozan' ny maro fa kely ny sainy
Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany

J
Janga no lalan'ilay tia toaka
Jereny ny marina toa fahavalony
Jesoa halany ka tsy ankasitrahany
Jonon'ny Satana izy fa tena rembiny

K
Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka
Kamboty velona ireto taranany
Kitratraina ny vady aman-janany
Kamo be tenda no tena talentany

L

Lova ratsy no anjaran'ilay tia toaka
Lany ny harena noho ity fahadalany
Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
Lalan'ny helo no indro izorany

M
Mangozohozo ny tenan'ilay tia toaka
Mikainkona ny voa vokatr'izany
Matimaty foana ny vady aman-janany
Mijaly maloka no fiafaran'ny fiainany

N
Nahoana no manjombona ilay tia toaka
Nanafina ny tava noho izato ditrany
Natahotra sao hijinja ny vokany
Ny antson'i Jesoa tsy nasiany dikany

O
Ozona no miandry an'ilay tia toaka
Olona meloka ireto taranany
Ory misento ny androm-piainany
Omby mahia tsy lelafin'ny namany

P
Potika ny androm-piainan'ilay tia toaka
Potraka faona ka hopitaly no tranony
Pentina sisa no mamantatra ny tenany
Peratra saro-tavohangy no hany ravany

R
Rovitra akanjo no anjaran'ilay tia toaka
Ratsy fitafy izato vady aman-janany
Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
Ratra, rangotra no valim-pananarany

S
Sempotra lava ilay tia toaka
Sady bila fandeha no mena ny masony
Safotra miakatra ambony ny tosidrany
Sahirana lava ka mankanimankany

T
Taranaka mijaly ny an'ilay tia toaka
Tenany very ary koa izato hajany
Tapitra sy velona ny fahasambarany
Tranomaizina no toa mba anjarany

V
Voa mikainkona sisa ny an'ilay tia toaka
Vavaka hadino ka toa tsy asiany dikany
Very haja ny tenany fa lany izato harenany
Vitsika mandady avy toa tsy matiny

Z
Zara raha velona ity tia toaka
Zovy no manana fo mifora sabora
Zovy no mpangataka voa korakora
Zatovo naditra iny fony Tanora

Rajaonary