Maty,
tononkalo mahavelon'eritreritra loatra satria zoro tsy dia manavanana
ny mpanoratra sy ny mpamaky loatra. Lalam-piainana ny fahafatesana, hoy
i RADO, ka mety ho faty ny mpivarotena. Saingy toa ailikin'ny
fiarahamonina izy ireny raha sendra izany. Na dia ny olona "mitomany"
noho ny fahoriana aza mantsy dia notadiavina fa tsy hita. Tsy misy
mitsetra, tsy manontany hoe iza hono io maty io, angamba tsy nisy
namaky akory na tsy nisy mihitsy ny taratasy filazana manjo. Fa
mahagaga koa ny ilazan'i RADO ny amin'ny fihetsik'ireto mpivavaka. Toa
tsaroany ny fandalovan'ireo lohan'ny mpisorona sy Levita ao amin'ny
tantaran'ilay "Samaritana tsara fanahy". Mandalo fotsiny, manasokajy ny
mpivarotena ho mpanota sy maloto ka tsy tokony ho akekezina akory.
Heverin'ny Fiangonana, hoy i RADO, fa fanetriben'ny firenena ny
fisian'ny mpivarotena. Tsy tandrifin'ny adidin'ny Fiangonana na dia ny
hamoaka faty aza, mainka moa ny ho any am-piangonana sy ny handevina.
Io fanilikilihan'ny Fiangonana ny mpanota io — izay tsy toe-tsain'i
Kristy mihitsy — no mahatonga ilay "IRAY", mety ho ilay mpivavaka io,
nefa mety ho ilay mpivarotena hafa koa, niantso an'Andriamanitra. Raha
ilay mpivavaka io, dia toa teny hoenti-maneso, fa raha ilay mpivarotena
namany kosa dia fangatahana amin'Andriamanitra hitanila sy hiandany
amin'ity mpivarotena maty ity.
Tsy hoe maty ara-nofo akory ity mpivarotena ity, hoy i RADO, fa MATY
FAHAVELONY. Izay no nahatonga ahy RIANALY hamaly ity tononkalo ity,
izay manakatra izay tian'i RADO hampitaina fa tsy hanohitra azy akory.
_______
MATY
Maty ilay mpivaro-tena !
Maty tsisy mpanontany !
Maty tsisy mpahonena !
Maty tsisy mpitomany !
Ny mpivavaka ?....Nandalo....
dia nisaotra ny Andriamaniny :
"Afa-doza nampimalo,
hono, izao ny tany maminy"....
Tsy mba olona tomefy
no namoaka izato faty
Fa tovovavy jefijefy
na fiainana na fitafy....
Ny iray niantso an'Andriamanitra
sy nivantambantan-teny :
"omeo azy re ny Lanitra ,
Fa ampy izay ny Afobeny !".
RADO (16-01-70)
Dinitra, tak 121
_______
MPIVAROTENA (setriny)
Iny olona iny raha toa nivarotena fidiny azy ve?
Sa ny antso lavareny nataony hatramin'izay no tsisy mba nanoina ?
Nioitra sy nikiry fa tapitra ny lalana nataony mba haleha
Ny maha olona azy ny sainy sy eritreriny tsy maintsy novonoina
Iny olona iny, raha toa ka nodimandry, moa tsy izay no anjarany?
Nahoana moa ny Gasy no zary hiova fenitra ka hiady am-paty?
Raha samy hotsaraina amin'izay hataony rehefa any am-parany
Moa ianao NAHITA, fa tsy nandray andraikitra, tsy ho naratra anaty?
Matoa ianao "MPIVAVAKA", mba nandalo teo, tsy sendrasendra akory
Fa nentin'Andriamanitra hahatsapa indray zava-mahonena
Izy efa lavo, potika ny fiainany f'ianao no ho mpitory
Ho an'ny maty fahavelony hiova fo anio, handray ny famonjena
Nahoana raha ianao no mba namoaka faty tam-pitafiana maotina?
Dia ho niavaka tokoa na dia tsisy fantatrao ireto "mpiara-miasa "
F'izay fotoana izay, tena azoko lazaina fa azo nohararaotina
Hitondrana hafatra sy fiainam-baovao hanolo ny efa lasa
Raha toa hisaotra ihany, hiantso an'Andriamanitra, dia nahoana moa?
Raha mba nitalahoana ny hijerena akaiky ireo MPIVAROTENA
K'isika Fiangonana no hiara-hiantafika hitory an'i JESOA
Fara faharatsiny na tsy ho foana aza angamba mba hihena
Sao mba tafahoatra ilay teny vantambatana hoe "omeo ny lanitra...
... fa ampy ny afobe" niainany tety fony fahavelony.....
Izaho tsy manan-teny hamaliana anao fa IZY ilay Andriamanitra
Izy no hampionona ireto mpianakavy sy hamela ny helony
RIANALY